Other News

Fifanarahana politika : Mitaky tondrozotrana Tetezamita ireo antoko

Faranana ny lalàmpanorenan’ny Repoblika IV, hatsahatra ny andrimpanjakana rehetra, ary hatsangana ny governemantan’ny fiaraha-mitantana… Ireo no anisan’ny fehinkevitry ny fikaonandohan’ny mpanao politika teny Ankoron­drano, tamin’ny 12-15 desambra lasa teo, izay nokarakarain’ny Komity fanavaozana ifotony an’i Madagasikara (KFI M). Nataon’ireo antoko politika miisa 100 eo ho eo teny amin’ ny efitrano […]

Fanovana toe-tsaina  

Fanovana? Na fanavaozana… Anisan’ny takina sy andrasana amin’izany ny hoe fanovana toe-tsaina. Ny tena aloha no mihavao alohan’ny hanaovana fanavaozana. Izay mihavao no afa-kanavao, izay miova no afa-kanova… Mila faharesen-dahatra izay, fahasahiana, fahavononana, faharetana… Tsy iandrasana ny hafa na ifanilihana, tsy anaovana ampitso ampitso lava… Amin’ny fomba ahoana? Eo indrindra […]

Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama : “Miroso mamaha ny hetahetam-bahoaka ny fitondrana”

Nihaona tamin’ireo solontenam-panjakana avy amin’ny fileovana manerana an’i Madagasikara teny Mahazoarivo ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, omaly. Nambarany fa mamaha ny hetahetam-bahoaka ny fitondrana. Fampahatsiahivana, fanamafisana… “Miroso amin’ ny famahana ny hetahetan’ny vahoaka ny fitondram-panjakana”. Io no anisan’ny ha­fatry ny Praiminisitra, lehiben’ny governemanta, Rajaonari­velo Herintsalama Andriamasy, tamin’ny fihaonana […]