Hanamarika ity faran’ny herinandro ity ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny diviziona fahatelo, taranja rugby lalaovina olona 7, lahy sy vavy. Anisan’ireo hiatrika izany ny Makis, lehilahy. Vonona izy ireo ny handrombaka ny amboara hiakarana ho divizionina faharoa. Hotanterahina anio, ao Dubai, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, […]
Other News
VAOVAO TAMBATRA
Hanatanteraka « Asaramanitra bagasy » ny Sehatra Bagasy. Sady hisantarana ny taona vaovao no fanohizana ny hetsika fanao isam-bolana. Amin’ny sabotsy 7 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany ka hatramin’ny 5 ora sy sasany folakandro. Hifampiarahaba, hifampizara fifaliana ireo mpitia sy mpikolo ny bagasy. Azo antoka ny hisian’ny fiaraha-mihira. Manana […]
Famoronana ankehitriny: Very ilay fanahin’ny zavakanto
«Tsy azo tsaraina ny zavakanto», hoy ny fomba fitenin-dry zareo vahiny. Na marina na tsia io fomba filaza io, tsy azo ihadian-kevitra kosa ny hoe : «voatsara ho azy» ny zavakanto. Anisan’ny mpitsara goavana sy tsy azo ialana ny vanim-potoana. Azo antoka kokoa ny maha «kanto» ireo antsoina ho zavakanto raha […]
IFM Analakely : Ho avy ny “Taombaovao 2026”
Tsy fifampiarahabana noho ny taom-baovao fotsiny. Fotoana iray fanao isan-taona, maka endrika fety, fa indrindra hampahafantarana ny fandaharam-potoana rehetra amin’ny lafiny zavakanto sy kolontsaina ny “Taombaovao” an’ny IFM Analakely. Hotontosaina ny sabotsy 24 janoary izao izany amin’ity, manomboka amin’ny 6 ora sy sasany hariva. I Christophe David no hanao ny […]
“Africa’s Cultural Landmarks”: Hanasongadinana ireo harembakoka mijoro
Andiana horonantsary fanadihadiana ny “Africa’s Cultural Landmarks”. Araka ny anarany, entina hanasongadinana ireo harembakoka mijoro sy miavaka aty afrika, toy ny Pyramides any Gizeh, ireo Eglizy ambanin’ny tany any Tigé (Ethiopi) ary ny Vohitr’Ambohimanga izany… … Hatokana ho an’izay indrindra ny anio tontolo andro, hatao eny amin’ny Fondation H Ambatomena, […]






