Other News

Solomiral-50 taona an-tsehatra : Hanasa ireo namany anaty seho lehibe

“Vakojazzana”. Io ilay nampisaloran’ny Solomiral ny mo­zika lalaoviny. Ny taona 1975, 50 taona lasa izay no nanombohan’ny tantara ka tsy havelan-dry Hajazz miraha­lahy avy handalo fotsiny izany, fa homarihina amina seho lehibe iray. Hotontosaina ny 18 ja­noary izao ny fanokafana izany jobily volamenan’ny ta­rika Solomiral izany. Hatao ao amin’ny Havoria […]

Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina: Hatsaraina ny lenta sy ny tontolon’ny kabary

Na eo aza ny fivelaran’ny kabary, misy ihany ny lesoka eo amin’ny tontolon’ity zavakanto sady kolontsaina ity. Vonona ny hanampy amin’ny fanarenana izany ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, raha ny nambaran’ny minisitra, omaly. Notanterahina teto an-dRenivohitr’i Mada­ga­sikara, omaly, ny lanonana hoenti-manamarika ny Androm-pirenena ho an’ny kabary. Lohahevitra tamin’ izany […]

VAOVAO TAMBATRA

Miverina andoavana haba ny fanafarana takelaka mandeha amin’ny masoandro na « panneaux solaires ». Toraka izany koa ny fitaovana ahazoana ranomafana (chauffe eau). Antony, tsy niantraika ta­min’ny mpanjifa ny fepetra nanafoanana ireo haba ireo. Nihatra nanomboka ny janoary 2026 teo io Sata vaovao mifehy ny Ladoany io. Tanjona ny fitoviana ara-ketra, ny […]

CEO Summit 2026: Hifantohana ny fandraharahana iraisam-pirenena

Hatao ny 9 sy ny 10 avrily ho avy izao ny fihaonambe CEO Summit 2026, andiany faharoa. Hetsika ara-toekarena miara-karakarain’ny Sendi­kan’ny indostria eto Madaga­sikara (Sim) sy ny Antokon­draharaha Becom. Fihao­namben’ny mpandraharaha mitantana orinasa misongadina maneran-tany, ny mpanapa-kevitra ara-toekarena aty Afrika sy iraisam-pirenena, entina hampiroboroboana ny fandraharahana eto Mada­gasikara izy io. […]