Fampisehoana an-tsehatra anisan’ny nahasarika mpijery maro tamin’ny faran’ny herinandro teo. Noporofoin’ny Reko fa tsara ny fiomanan-dry zareo. Omeny lanja ny mpijery. «Izahay hanome ny tsara indrindra avy aty aminay ho anareo foana », hoy i Fy Rasolofoniaina, andro vitsy nialoha ny fampisehoana, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina. Omaly, io […]
Other News
Judo – «Coupe de Mada» Mpikatroka 252 Tonga tany Toamasina
Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tany Toamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja judo, ho an’ny sokajy Minimes, Cadets, Juniors ary Seniors. Mpikatroka 252 avy amin’ny klioba 24, manerana ny ligy 6, no tonga nandray anjara nandritra ity fifaninanana ity, ka lehilahy ny 142 amin’izy ireo ary vehivavy kosa ny […]
Fifidianana eo anivon’ny tsipy kanetibe: lany hitantana ny federasionina i Julio Adrien
Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifidianana izay ho filohan’ ny Fédération sport-boule malagasy (FSBM). Lany hitondra izany, mandritra ny efa-taona (2026 – 2029), ny filoha teo aloha Andrianirina Adrien Julio Edouard. Tsy nisy afa-tsy izy moa ny kandidà ka nolanian’ireo ligim-paritra 7, Analamanga, Vakinankaratra, […]
baolina kitra- « Grand Match de Défi »: voatazon’ny Disciples FC ny mpilaravinahitra
Vita izay ny lanonana baolina kitra natao tao Toamasina. Tsy nisy nivoaka mpandresy tamin’ity « Grand match de défi » ity na ny Disciples Fc Vakinankaratra na ny mpilaravinahitra. Nisaraka ady sahala, 0 no ho 0, ny roa tonta. Notontosaina omaly, tao amin’ny Kianjan’i Barikadimy, Toamasina, ny lalao baolina kitra goavana, « Grand […]
Zava-dehibe
Tsy be resaka fa miasa. Izany izao governemanta izao? Efa ho tapitra ny roa volana. Izay ny fanamby. Mby aiza? Ny amin’izay hetaheta sy fitakian’ny vahoaka nahatongavana amin’izao dingana ho amin’ny fanavaozana izao. Eo, ohatra, ny amin’ny famatsian-jiro sy rano, ny tsy fisian’asa… Niitatra izany ka tonga amin’ny sehatry ny […]






