Natao ny 18 desambra teo ny atrikasa namoahana ny fanadihadiana ireo foibem-pikarohana sy rafi-panjakana ara-pambolena eto Madagasikara. Ahitana ny Fofifa, ny Fifamanor, ny Sampandraharaha ho fanaraha-maso ny masomboly (Soc), ny Imvavet ary ny Cffamma, izany. Notsipihin’ny profesora Radanielina Tendro fa tsy mirindra ny fikarohana ara-pambolena eto Madagasikara ka mila fanarenana. […]
Other News
Fitantanana eny ifotony: lesoka goavana ny tsy fahaizan’ny olom-boafidy
Taorian’ny nandraisan’ny miaramila, filoham-panjakana, ny fitantanana an’i Madagasikara, anisan’ny maro mpangataka ny fanesorana ben’ny Tanàna. Araka ny fanadihadiana, tsy ny loko politika ihany no mahatonga izany fa lesoka iray lehibe koa ny tsy fahafehezana ilay asa. Matetika heno amin’ny haino aman-jery sy ny tambajotran-tserasera ny hoe mila sivana ny fanaovana […]
Fanamby lehibe: tontosa ny mofomamy mirefy 322 m
Mofomamy “Bûche de Noël” lehibe indrindra tontosa aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Tatran-dry zareo avy ao amin’ny Disciples Escoffier Madagasikara io fanamby io, ny sabotsy teo, teny amin’ny Zone Zital Ankorondrano. Mpahandro maromaro no nifarimbona nanatontosa izany, ary efa roa andro no nanombohan’izy ireo ny asa. Akora maro no […]
Jaw’s Band & Revival Messengers: raikitra ny seho « Gospel Vibe Christmas » 2025
« Hifanaraka amin’ny vanim-potoan’ny Noely ny seho, ny loko sy ny fomba fihirana ireo sanganasan’ny tarika Jaw’s Band. Tahaka izany ihany koa ireo fomba fisehoana eny an-tsehatra eo amin-dry zareo… ». Anisan’ny hampiavaka ity fampisehoana an-tsehatra ity ireo, raha ny fanazavan-dRandimbinjanahary Tahiana, avy ao amin’ny Giga Vibes Évent, mikarakara ny hetsika « Gospel […]
Fanja Andriamanantena: vokatra “Collector”, anamarihana tsingerin-taona 3
Mpamoron-kira, mpandrindra, mpihira, mpitendry nanamarika ny mozika malagasy tao anatin’ny 60 taona i Fanja Andriamanantena. Natambany ho iray ireo vokatra sy ny momba azy, hanamarihana tsingerintaona telo lehibe… 80 taona, 60 taona an-tsehatra ary faha-20 taonan’ny “Mozika tsotra izao”. Tsingerin-taona 3 lehibe ho an’i Fanja Andriamanantena, andrarezin’ny mozika ary mbola […]






