Other News

Taksiborosy latsaka ambany tetezana: mpandeha 15 naratra, voa mafy ny roa

Nivoaka ny arabe, nifatratra tany ambany tetezana ny fiara mpitatitra iray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, omaly maraina. Mpandeha am-polony naratra. Olona roa tamin’ireo mpandeha am-polony voa mafy taorian’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra teo amin’ny tetezan’i Ikalamilotra, kaominina Beri­votra 5×5, distrikan’i Maeva­tanàna, omaly maraina. Nia­inga ny tolakandron’ny ala­hady 21 desambra […]

Rugby-Jobily faha-125 taona: tsy tafavoaka teo anatrehan’ny CEA ny Cosfa

Notanterahina omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andoha­tapenaka, ny fankalazana ny jobily faha-125 taonan’ny Rugby Malagasy. Lavon’ny CEA Andranomanalina tamin’ ny isa 25 no ho 22, ny Cosfa. Tsy tafavoaka teo anatrehan’ny mpilalaon’ny CEA, ny Mia­ramila, tamin’ity lalao fihan­tsiana ity. Raha hiverenana kely ny fifanandrinana, na­nindry ny CEA tao anatin’ny 23 […]

Nosy Be: vahiny iray nahatrarana zava-mahadomelina 8,5 kg

Voasambotry ny mpiasan’ny ladoany ao Nosy Be, ny sabotsy 13 desambra, ny lehilahy teratany Letton (avy any Letonia) iray. Tratra tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam- pirenena Nosy Be izy, saika hanondrana zava-mahadomelina hihazo an’i La Réunion tamin’ny zotra Air Austral. Nampiahiahy ny mpiasan’ny Fadintseranana ny entana nentiny, ka nasain’izy ireo nosokafana […]

Fadintseranana: «Ampy izay ny tsindry politika», hoy ny Sempidou

Lany faninefany hitantanana ny Sendikan’ny mpiasan’ny ladoany (Sempidou), Andria­na­valona Herizo Ramanam­bola. Mandritra ny telo taona ny fe-potoana hiasany (2026-2028). Fanamby vaovao hoentiny ny fametrahana ny lanjan’ny sendikà hanajana ny tombontsoan’ny mpiasan’ny Fadintseranana, ny hiarovana ny zony, ary afaka miasa an-kalalahana. Manana ny toerany eto amin’ny firenena ny Sempidou, indrindra amin’ny […]