Natao ny 20 novambra teo, ny fikaonandohan’ny mpandraharaha ara-toekarena, ny « Red Circle », andiany faharoa. Lohahevitra nodinihina ny hoe, « ny « Cyber-Résilience », zava-dehibe amin’ny fitantanana maharitra sy mahatsara endrika ny orinasa ». Nikarakara ny fotoana ny Airtel Business, misahana ny fandraharahana ao amin’ny orinasa. Manodidina ny 80 ny nandray anjara teny amin’ny Novotel […]
Other News
Feno 80 taona : Mpanakanto feno i Nalisoa Ravalitera
Vitsy ny manan-talenta tahaka azy ! Saika tazana ao amin-dRabenalisoa Ravalitera Jean na i Nalisoa Ravalitera avokoa ny talenta kanto. Ny 28 desambra teo, tao amin’ny Ivokolo Analakely (efitrano Charles Ravaloson) no nanamarihana sy nankalazana ny faha-80 taonan’ity akademisianina andrarezin’ny zavakanto ity. Noporofoina niaraka tamin’ireo nasaina tamin’izany fa sady poety izy […]
Tsy ho sakana ny fahavaratra : Hitohy hatrany ny adin-kiragasy
Iray amin’ireo fe-petra takin’ny fanaovana hiragasy ny fananana toetr’andro maina, noho izy tanterahina eny an-kianja. Ho an’ny eto an-dRenivohitra, hanao dingana lehibe ny tontolon’ny hiragasy. Ny nahazatra hatramin’ izay, vao tonga ny vanim-potoanan’ny orana. Mitsahatra ny adin-kiragasy, satria, mikarakara ny eny an-tsaha ny mpihiragasy, sady ratsy rahateo ny lalana. Raha […]
Judo- Grand Slam d’Abu Dhabi : Laharana faha-7, Rasoanaivo Laura
Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, ny fifaninanana “Grand Slam d’Abu Dhabi”, taranja Judo. Laharana faha-7 ny solontena malagasy, Rasoanaivo Razafy Aina Laura, izay nifaninana teo amin’ny sokajy latsaky ny 70 kg. Nahazo fandresena i Laura tamin’ny ady voalohany natrehany, nanoloana ilay teratany Libianina , i Chayeb Aqulina ary niatrika ny […]
Baolina Kitra-« Grand Match de Defi »: Hanatevina an’ireo mpilaravinahitra i Ando Pro
Afaka iray volana eo, izany hoe, ny 28 desambra ho avy izao, ao amin’ny kianja Barikadimy Toamasina, hisy ny lalao baolina kitra goavana, “Grand Match de Defi”, izay hihaonan’ny Disciples FC Vakinankaratra amin’ireo mpilalao milaravinahitra any ivelany, hohatevenin’ireo Barea Chan. Fantatra ny omaly teo, fa ho avy hanatevina ny ekipan’ireo […]






