Olona telo mianaka no nirodanan’ny trano, afakomaly, tetsy Besarety. Namoy ny ainy tototry ny tany ilay raim-pianakaviana, avotra kosa ny vady aman-janany niaraka taminy tao an-trano. Nirodana tanteraka, vokatry ny ora-nikija, ny trano misy rihana roa sy efitra maromaro, etsy Besarety, afakomaly hariva tamin’ ny 5 ora sy sasany. Nahafatesana […]
Other News
VAOVAO TAMBATRA
Manomboka miakatra ny vidim-bary eny an-tsena. Lasa 3 600Ar ny kilaon’ny vary gasy raha toa ka 3 400Ar izany andro vitsy lasa izay. Manahy sahady amin’ny fiakaran’ny vidim-bokatra ny mpanjifa manoloana ny rotsakorana misesisesy misy amin’izao fotoana izao. Sambany tsy nahitam-piakarana ny atody amin’izao ankatoky ny fety izao. Betsaka ny […]
BNI Lovain-jafy: Manasongadina hatrany ny fandraharahana maitso
Namiratra indray ny tontolon’ny toekarena maharitra tamin’ny alalan’ny fanolorana ny « Trophées BNI Lovain-jafy », notanterahin’ny BNI Madagascar tao amin’ny Axian University, Andraharo, ny 10 desambra 2025. Nisongadina tamin’ity hetsika ity ny firaisankina teo amin’ny sehatra tsy miankina, ny teknisianina ary ny mpiara-miombon’antoka amin’ny fanohanana ny tontolo iainana. Eo anilan’ny […]
Fampandrosoana maitso: Fifanarahana fanoloran-tena
Natao nandritra ny roa andro, ny 9 sy 10 desambra teo, teto Antananarivo, ny fikaonandoha mifantoka amin’ny hisian’ny fampandrosoana maitso eto Madagasikara. Nandray anjara tao ny ankamaroan’ny mpisehatra avy amin’ny fanjakana, ny tsy miankina, ny manampahaizana ara-toekarena sy ny ara-tontolo iainana eto an-toerana sy avy any ivelany. Nohazavain’ny filohan’ny Filankevi-pitantanana […]
FAPBM : Fifaninanana ho an’ny mpanao gazety
Mikarakara fifaninanana ho an’ny mpanao gazety ny Tahirim-bola ho an’ny faritra arovana eto Madagasikara (FAPBM). Miompana amin’ny fanadihadiana atao eny anivon’ireo faritra arovana miisa 75 tohanan’ny FAPBM, amin’ny 125 misy eto Madagasikara, ny fanadihadiana. Mizara efatra ny karazana sehatra fanaovan-gazety afaka mandray anjara. Ny gazety an-tsoratra, ny televiziona, ny radio […]






