Other News

Itaosy-Fiombonana: Vehivavy iray maty nirodanan’ny tamboho

Nitrangana fihotsahan’ny tamboho, nahafatesana vehivavy 30 taona, tetsy Itaosy, fokontany Marobiby, kaomi­nina Fihombonana, disitrikan’ Antananarivo Atsimondrano, afakomaly tamin’ny 7 ora ha­riva. Nianjera tamin’ny trano nahitana rihana roa, misy efitra enina teo ho eo, ny tam­boho iray. Efa-mianaka izy ireo no tao an-trano, nahitana renim-pianakaviana iray sy ny zanany telo ary […]

Ambohitrarahaba : Lehilahy tratra teo am-pangalarana

Voasambotry ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny kaomisaria foibe Avaradrano, ny lehilahy iray nangalatra kodia­rana fiara sy kojakoja samihafa tao Ambohitrarahaba, kaominina Ankadikely Ilafy, ny 22 novambra lasa teo. Nihao­dihaody tsy lavitry ny toeram-piantsonan’ny fiara tao an-toerana io olon-dratsy io. Nahatsikaritra fisian-javatra hafahafa ny tompon-trano ka tsy nisalasala niantso polisy. […]

Nandritra ny ora-nikidra : Ankizy 13 taona maty nilatsaham-potaka

Namoy ny ainy ny iray tamin’ireo olona telo nilatsaham-potaka nandritra ny ora-nikija, tao amin’ny kaominina Ambanivohitra Alatsinainy Bakaro, afakomaly. Ankizilahy 13 taona na­moy ny ainy rehefa nila­tsaham-potaka nandritra ny ora-nikija tao amin’ny fo­kon­tany Antanambao, kaominina ambanivohitra Alatsi­nainy Bakaro, distrikan’Andra­masina, ny tolakandron’ny talata 25 novambra lasa teo. Tra-doza tampoka ny olona […]

Drafitrasa Asecna : Mitaky ny fitsinjarana ara-bola ara-drariny i Madagasikara

Natao tany Dakar Se­né­gal, ny 21 novambra 2025 teo, ny fivoriambe tsy ara-potoan’ny Vaomieran’ny minisitra ao anivon’ny Asecna, Fikamba­nana iraisam-pirenena misahana ny fitaterana ana habakabaka sivily aty Afrika. Nan­katoavina ny drafitrasa stratejika (POS) ho an’ny taona 2026-2035, ny drafitrasam-pitantanana sy ny fampitaovana (PSE) 2026-2030 sy ny drafitrasa famatsiam-bola azy. Nitarika […]