Aroso eny amin’ny Antenimierandoholona, anio, ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola (PLFI) 2026 izay lany teny amin’ny Antenimierampirenena omaly. Izy ireo indray no hidinika ny fanovana napetraka. Hatolotra ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny PLFI raha toa ka tsy misy ny fanovana entin’ny Antenimierandoholona. Hivoaka aorian’izay ny didim-panjakana ho […]
Other News
Fandrosoana sy fivoarana : Matahotra ahafantatra tantara ny Malagasy ?
Raha ny fototra no tsy fantatra na tsy hay, sarotra ny handrosoana. Tsy ireo nanovo fahaizana tany amin’ny ambaratonga ambony ihany no mahay izany fa ireo rehetra miaina sy manaraka ary nobeazina tamina lamina voajanahary. Iray amin’ireny ny tantara. Mila hay, mila fantatra, sns, ho fototra hoenti-miainga. Tsy vitsy amin’ny […]
«Ny hirahiram-poko»: Seho fahatsiarovana an’i Vola sy Noro
Fampiaraham-peom-behivavy nanamarika vanim-potoana iray manontolo. Tsy hadino mandrakizay, mbola homem-boninahitra ry Vola sy Noro sy ny talentany. Hisy ny seho ialohavan’ny fifaninanan-kira Vola sy Noro. Efa ela no noketrehina… Namaly ny hetahetan’ireo mpankafy amin’izay ireo mpandimby an’i Vola sy Noro. Hisy ny seho ho fanomezam-boninahitra ireto mpanakanto ireto, ho tsiaro […]
SOMBIM-BAOVAO
Mitana ny laharana faha-43 maneran-tany ny Makis de Madagascar, sokajy lehilahy. Filaharana navoakan’ny World Rugby, ny 24 novambra lasa teo. Manana isa 45, 76 ny Makis amin’izany. Ho an’ny vehivavy indray, laharana faha-31 ny Makis Ladies, manana isa 42, 34. Mbola ny Springboks Afrika Atsimo no voalohany maneran-tany raha ny […]
Baolina Kitra-« Grand Match de Défi »: Amboara lehibe ho an’ny ekipa mpandresy
Efa manomboka mahoraka sy malaza ao Toamasina sy anaty tambajotran-tserasera ny lalao baolina kitra “Grand match de défi”, hotanterahina ao amin’ny Kianja Barikadimy, ny 28 desambra ho avy izao. Fihaonana hifanandrinan’ireo mpilalao milaravinahitra any ivelany sy ny Barea Chan amin’ny ekipan’ny Disciples FC Vakinankaratra. Nilaza ny mpikarakara, Patricio, fa hisy […]






