Tsy nitsitsy fitenenana ny kardinaly Tsarahazana Desiré. Nambarany ny alahady teo, tao Toamasina, fa tompon’andraikitra amin’ny fahantrana ny kristianina. Nohitsiny fa milaza azy ho kristianina ny 95% amin’ireo tomponandraikitra sy mpitantana rehetra. « Endrika ivelany ihany izany ary manao sinema fotsiny isika rehefa mivavaka », hoy izy. Tsy misy ambonin’ny lalàna ka […]
Other News
Fanaovana sy fivarotana toaka gasy : Andrasana ny didy fampiharana ny lalàna vao lany
“Lany soa aman-tsara ny tolo-dalàna. Mikitika ny fitondram-panjakana amin’izao mba hanafaingana ny fanatanterahana azy. Ny famoahana didy fampiharana sisa no andrasana”. Io no nambaran’ny depiote tsy miankina voafidy tany Ambositra, Andriamihaja Fanomezantsoa Yves Georges na Liva Rason, teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ny fanaovana sy fivarotana toaka gasy eto Madagasikara. Izy no […]
Tsy fahotana velively
Nahoraka sy nanaovana resabe indray omaly ny maha olon’ny antoko TGV ny minisitry ny Fanabeazan-pirenena. Narantiranty manerana ny tambajotran-tserasera ny fanamiana volomboasary nanaovany. Manginy fotsiny ny fanambarana ampahibemaso nataony, ho fanohanana ny Filohan’ ny Repoblika teo aloha, Rajoelina Andry, tamin’izany fotoana. Mahazo aina avokoa ireo mpanenjikenjika fahatany nahita izany. […]
Depiote Milavonjy Philobert : “Ny Fitsarana avo ihany no afa-mitsara ny filohan’ny Repoblika”
Naneho ny heviny ny filoha lefitra fahafito eo anivon’ny Antenimierampirenena momba ny fitsarana ny filohan’ny Repoblika. Ny HCJ ihany no afaka manao izany, araka ny nambarany. “Mazava ny lalàmpanorenana sy ny lalàna mifehy ny Fitsarana avo (HCJ), tsy afa-mitsara ny filohan’ny Repoblika ny fitsarana tsotra”. Io ny fanehoan-kevitry ny lehiben’ny […]
TSELATRA
Hita omaly atoandro ny vatana mangatsiakan’ilay ankizivavy 11 taona natelin’ny ranomasin’Ampasimandroro, Maintirano, ny alahady tolakandro teo. Naharitra telo andro ny fikarohana azy. Tany amin’ny 30 km niala ny toerana nisy azy farany no nahitana ny razana. Nilalao ranomasina niaraka tamin’ny namany miisa roa izy, saingy nentin’ny rano tany amin’ny lalina ary […]






