Notontosaina omaly ny lanonana goavana hanomezana mari-pankasitrahana an’ireo mpilalao sy mpanazatra afrikanina. Manana solontena hofidina amin’izany i Madagasikara, dia ny Coach Rôrô, izay tafiditra anatin’ireo mpanazatra mendrika indrindra aty Afrika sy i Fely, hofidina ho anisan’ireo nampiditra baolina tsara indrindra tamin’ity taom-pilalaovana 2025 ity. Araka ny fikarohana natao omaly, tao […]
Other News
Rallye ASACM: 29 ireo hifaninana
Hotanterahina manomboka rahampitso hatramin’ny alahady 23 novambra ho avy izao ny Rallye Asacm. Dingana fahadimy amin’ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny familiana fiarakodia ity hatao ity. Hisy 29 ireo mpanamory handray anjara sy hiady ho lohany amin’ity. Anisan’ireo hiatrika izany i Mathieu sy i Heri Possible, mpanamory avy amin’ny klioba Asacm, mitondra […]
« FIBA Africa Cup 3×3 » : Vonona amin’ny fanohanana ireo mpiara-miombon’antoka
Anatin’ny fanomanana tanteraka ny fandraisana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja basikety 3×3, hotanterahina eto Madagasikara, ny 5 hatramin’ny 7 desambra amin’izao fotoana izao ny FMBB. Vonona hifanohana amin’ny Federasionina malagasin’ny basikety ireo mpiara-miombon’antoka marobe, raha ny nambaran’izy ireo teny Andraharo, omaly. Notontosaina omaly ny fanehoana ny sary fampahafantarana sy […]
Bodybuilding: 16 taona aty aoriana, azon’ny Malagasy ny tompondaka maneran-tany
Nigadona an-tanindrazana, omaly, ny delegasionina malagasy niatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Bodybuilding, notanterahina tany Abu Dhabi, ny faran’ny herinandro teo. Nakotroka ny fandraisana ireo Malagasy maherifo izay nahazo ny tompondaka maneran-tany sy tompondaka lefitra ka notohizana hatrany amin’ny Kianja mitafon’ Ankorondrano ny lanonana nandraisana azy ireo. Nambaran’ny filohan’ny […]
Nifampihantsy ny Irmar sy ny Tim: Ambivitra ny fifandonana tetsy amin’ny fitsarana
Ambivitra ny tsy nisehoan’ny fifandonana tetsy Anosy, teo amin’ny mpomba ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala, sy ny kandidà, Ravalomanana Tojo, omaly. Niakatra fitsarana ny fitorian’ny mpisolovava ny Tim amin’ny hanintsanana ny kandidàn’ny Irmar, tamin’ ny fifidianana ben’ny Tanàna farany teo. Samy nihorakoraka sy nifampihantsy tamin’ny alalan’ny vava sy nilanja sorabaventy […]







