Other News

Herinandron’ny karate : Hatao eto Analamanga ny “Mada isan-tarika”

Hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 15 hatramin’ny 20 desambra izao, ny herinandron’ny Karate-do eto Madagasikara. Hizara roa mazava tsara ny fandaharam-potoana amin’izany ka, ny 15 hatramin’ny 17 desambra no nanatontosana ilay Gashuku nasionaly, izay hanomezana fiofanana ho an’ny mpanazatra sy mpitsara ary mpandraharaha nasionaly eo anivon’ny taranja karate. […]

Barean’i Madagasikara : Roa ihany ny mpilalao avy eto an-toerana

Mpilalao 22 nantsoin’i Corentin Martins, hiatrika ilay lalao ara-pirahalahiana, hihaonana amin’i Guinée Equatoriale, any Torkia, ny 17 novambra ho avy izao. “Roa ihany !” Raman­dimbi­soa Michel, na i Toldo, sy Rabema­nan­tsoa Radoniaina, no hany mpilalao avy eto an-toerana, tazana anatin’ny lisitry ny Barea A, nivoaka omaly, tao amin’ny tambajotran-tserasera. Mitotaly […]

TARATRY ny KANTO

« Instant Jazz » eny amin’ny Fara West Faravohitra. Haka endrika masterclass indray ny fiarahana anio, amin’ny 10 ora sy sasany. Manodidina ny lohahevitra « Ny kolontsaina Betsileo sy ny hareny anatin’ny famoronana ara-javakanto » no hitondrana fampahafantarana mandritra izany. Hitarika ny fotoana ry Mamy Ralaivita, Tsanta Nasandratra ary i Dina Mialinelina. […]

Taolagnaro: Seho roa misesy ho an’i Zook Davids

Mitohy ny fitetezam-paritra eto an-toerana ho an’ny Zook Davids. Fantatra fa ny any Taolagnaro na Fort-Dauphin indray no handray ny tarika, anio sy rahampitso. Ho an’ny anio, fampisehoana lehibe, hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny Tanàna (CUFD), manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Ny rahampitso, hanomboka amin’ny 3 tolakandro ihany, ao amin’ny fiangonana […]