Mipoitra ny atsy. Mihetsika ny aroa. Samy te haneho fa ilaina haverin-kasina ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao ary ny soatoavina Malagasy. Fotoana fanatanterahina izany izao. Hafa mihitsy ny Malagasy ! Kolontsaina, zavakanto, soatoavina, toerana mirakitra tantara, fomba amam-panao… Maro tamin’ireny no notaina fady tao anatin’ny vanim-potoanan’ny fanjanahan-tany amin’ny endriny vaovao. […]
Other News
FANTINA sy FINTINA
Nanazava ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, fa tonga ny fotoana tsy azo ihodivirana hirosoana amin’ny fifidianana madio, eken’ny rehetra ary mangarahara. Anisan’ireo efa miomana amin’izany izy ireo ka antony nialan’ny Tim tao amin’ny vovonana Firaisankina, araka ny nambarany ny zoma teo. Noraisin’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama teny Mahazoarivo, ny zoma […]
KMF/Cnoe : “Mila hanaovana fitsirihana ny andrimpanjakana”
Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny KMF/Cnoe. Anisan’ny nambaran’izy ireo ny hitsirihana ny sehatra rehetra. “Miantso ny handraisan’ny fanjakana andraikitra amin’ny fitsirihana ny fitantanana ny raharahan’ny andrimpanjakana rehetra sy ny governemanta izahay”. Io ny fanehoan-kevitry ny eo anivon’ny fikambanana KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, tarihin’ny filoha nasionaliny, i Namearison […]
Izay mahasoa aloha…
Mafy sy sarotra ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Tsy azo antoka hoe mandra-pahoviana; eny, na aza ny fe-potoana roa taona. Miankina amin’ny fahavononana sy fahamatorana ny raharaha. Nefa eo ny fifanomezan-tanana, fifampitokisana, fitozoana… Fanavaozana na fanorenana ifotony no atao. Hatraiza? Mby amin’ny hoe izay miova no afa-kanova, izay vaovao na manana […]
Fanapahan’ny governemanta : Niala tsy ho mpitarika ny Sadc i Madagasikara
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblika, ny sabotsy teo. Nisongadina amin’izany ny momba ny andraikitr’i Madagasikara eo anivon’ny Sadc. «Nanapa-kevitra ny governemantan’ny Repoblika fa hiala amin’ny fiadidiana ny Sadc. Andraikitra noraisina ny 17 aogositra teo tamin’ny fihaonana an-tampony nataon’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny Sadc izany », hoy ny […]






