Other News

FANTINA sy FINTINA

Nivoaka amin’ny fahanginany ny filoha nasionalin’ny RDS, Rakoto Andrianirina Fetison. Nambarany fa ilaina ny fampihavanana ahafahana manangana firenena, mba hirindra sy handroso. « Tsy azo havaozina ny firenena raha tsy voavaha aloha ny ratram-po sy ny tsy fitoviana », hoy izy amin’izao fiovana eto amin’ny firenena izao. Tsiahivina fa izao indray vao […]

Rabary Paul : “Tsy fanovana olona fa rafitra ny fanorenana”

“Ao anatin’ny hoe fanorenana ifotony: tsy manova olona, fa manova rafitra”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha mpanorina ny antoko Ny Fireneko, Rabary Paul, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Fanovana rafitra ny fanovana. Misy lalan-tsaina telo amin’ny Lalàmpanorena­na eto Mada­gasikara. Na­nomboka tamin’ny taona 1960 ka hatramin’izao, lalàmpanorenana mametraka fanjakana miainga […]

Vahoaka hendry

  Tsy misy vahoaka resy eo amin’ny taniny, hoy ny mpanao politika iray izay. Tsy misy ny resy tsy miady, fa tsy misy koa ny mandresy tsy miady. Mila miady amin’izay mahazo azy ny vahoaka? Indrindra amin’izay zo fototra tokony hositrahany. Toy izany koa ny amin’izay nampanantenaina na fanambin’ny mpitondra […]

Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama : « Tsy azo ekena ny kolikoly sy ny gaboraraka »

Nitarika ny fananganan-tsaina voalohany teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, omaly, ny praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy. Nisy hafatrafatra sy toromarika nomeny ho an’ireo mpiara-miasa. Hentitra sy nahitsy. Ani­san’ny nasongadiny ta­min’ny lahateniny ny toetra tokony hananan’ny tsirairay eo am-panatanterahana ny asany. Anisan’izany ny soatoavina fototra miisa telo. Eo ny fanajana sy ny fihavanana […]

TSELATRA

Olona fito tra-tehaky ny polisim-pirenena teny Ivato, saika hiondrana any ivelany, ny alakamisy 30 oktobra lasa teo. Tsy fantatra mazava ny anton’ny dian’ireo olona ireo ka voatery nohazonina natao famotorana, hoy ny loharanom-baovao. Lehilahy iray mpitondra moto namoy ny ainy teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, teo Sambaina, omaly. Voahitsaky ny kamiao […]