Other News

Fanamarihana fetin’ny Fahaleovantena : Efa any Tchad ny filoha, Randrianirina Michaël

Efa nigadona tao N’Djamena, renivohitr’i Tchad, omaly, rehefa avy niainga teto Madagasikara ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika. Maromaro ny anton-diany any amin’ity firenena Afrikanina ity. Tafiditra amin’ny famaliana ny fanasana avy amin’ny filohan’i Tchad, ny Marechal Ma­hamat Idriss Deby Itno, izao fivahinianany voalohany any Tchad izao. Hankalaza ny faha-66 taona […]

Tambin’ny hofan-trano: 50 000 no zakan’ny CUA

Nambaran’ny PDS an’Antananarivo, Ralambomanana Feno, omaly, fa mitentina 50 000 Ar no zakan’ny tetibolan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra momba ilay resaka tambin-karama amin’ny trano fonenena « Indemnité de logement”. « Io ihany rahateo koa no efa nifampiresahana tamin’ny mpiasa », hoy ihany izy. Tsiahivina fa nitaky izany ho 200 000 Ar ireo mpiasan’ny kaominina ary […]

TARATRY ny KANTO

Hitafatafa amin’ireo liana amin’ny tontolon’ny sarimihetsika i Edwelle Zafindrazana Ralaiaridimby. Izy no talen’ny Ivontoerana ho an’ny sarimihetsika sy sarimiaina eto Madagasikara, na ny ISSM amin’izao fotoana. Hotontosaina rahampitso alarobia 12 aogositra, amin’ny 3 ora tolakandro izany, eny amin’ny ESM Ampandrana. Anisan’ny lohahevitra horesahana ny “ISSM Festival Film Awards 2026”. Eo […]

Famadihan-drazana sy famorana: Mila hamafisina ny foto-pisian’ny fomba

Endrika ivelany. Manom­boka mibirioka. Vao mainka fa ny fototra ? Ao anatin’ny va­nim-potoanan’ny ririnina tahaka izao no hanatanterahina ny famadihan-drazana sy ny fa­morana. Ao ihany koa no ahitana ny fitokanana tsangambato (fasana). Nanana ny antony na ny fotom-pisiany tsirairay avy izy ireny. Manaja izany ny endrika ivelany. Tsy izany ny zava-misy […]

Zaridainan’Antaninarenina : Handray ny « Hosotra 2026 »

Misokatra amin’ny seha-kanto marolafy ny « Hosotra » amin’ity. Nivelatra tamina mpanakanto maro ihany koa, izay hasongadina etsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina. Tsy hosodoko sy sary fotsiny intsony. Handray ny saripika, sokitra, sarimihetsika, slam poezia, sy ireo seha-kanto hafa ny «Hosotra» amin’ity. Hotontosaina ma­nom­boka anio hatramin’ny 29 aogositra izany, araka ny fampahafantarana teny amin’ny […]