Other News

VAOVAO TAMBATRA

Manatanteraka fakan-kevitra momba ny ho avin’ny vola taratasy sy ny vola madinika eto Mada­gasikara ny Banky Foibe. Hetsika tafiditra ao anatin’ny faha-100 taona nanontana sy namoahana voalohany ny vola taratasy malagasy. Sehatra iray nihainoana sy hifampizarana ireo ahiahy sy olana sedrain’ny olom-pirenena eo amin’ny fampiasana andavanandro ny vola taratasy sy […]

Ranomasimbe Indiana: Fiaraha-miasan’ny fandriampahalemana sy ny ladoany

Vita ny zoma 7 aogositra teo, ny fivoriana ara-teknika eo amin’ny Rafitra rezionaly misahana ny fandriampahalemana an-dranomasina (ARSM) sy ny Vaomieran’ny Fadintseranana (CD) aty amin’ny ranomasimbe Indiana (OI). Firenena 5 aty amin’ny OI (Madagasikara, Maorisy, Kaomoro, Seychelles, Frantsa amin’ny alalan’i La Réunion) no anjara, nokarakarain’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana (COI). Nilaza […]

GCC Kanada-Dubai : Hatsaraina ny fotodrafitrasa

Natao sonia, ny 7 aogositra teo, ny fifanarahana eo amin’ ny fanjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Asa Vaventy, andaniny, sy ny Antenimieran’ny Varotra (GCC) avy any Kanada sy Dubai, ankilany. Ifantohan’ny fiaraha-miasa ny fanamafisana ny fanatsarana ny lafiny fotodrafitrasa eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fampitana sy ny fifanakalozana fahaiza-manao, traikefa […]

AGOA : Mety hitarina hatramin’ny faran’ny taona 2028

Nankatoavin’ny Antenimierandoholona amerikana, ny sabotsy teo, ny volavolan-dalàna H.R 6500, hanitarana ny “African Growth and Opportunity Act” (Agoa) hatramin’ny faran’ny taona 2028. Miisa 90 ireo nanohana raha 6 kosa ireny nanohatra nandritra ny latsa-bato natao. Tombony ho an’i Madagasikara sy ireo firenena Afrika aty atsimon’i Sahara ny Agoa saingy mbola […]

FANTINA sy FINTINA

Any Mahajanga ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, miatrika ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny lalao nasionaly ara-panatanjahantena an-tsekoly. Naharitra efatra andro izany lalao hatao an-drenivohitr’i Boeny izany. Tanjona ny fampiraisana ireo tanora avy amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy, hanehoana sy hitsirihana ireo talenta vaovao. Nanao hetsika tsy fankasitrahana ny sefo […]