Nivadika ny rasa, teny Tsimbazaza. Voaongana avokoa ny depiote avy amin’ny Irmar, nandrafitra ny birao maharitry ny Antenimierampirenena. Lasan’ny Firaisankina ny maro an’isa. Notanterahina omaly, ny fifidianana ireo handrafitra ny birao maharitra eo anivon’ny Antenimierampirenena. Nilamina ihany izany na teo aza ny olan’ny fahamaroan’ireo kandidà. Eo koa ny fiovan’ireo depiote […]
Other News
TSELATRA
Nodimandry ny alin’ny talata lasa teo, teny amin’ny hopitaly Soavinandriana, ny Colonel Ranaivoarison Théodule Edith. Efa narary efa ela ary notsaboina teny an-toerana ny tenany izao tsy tana izao ny ainy. Efa nitazona andraikitra amin’ny maha kaomandin’ny Groupement de la Gendarmerie Atsinanana. Efa nitazona andraikitra CIRGN Toamasina ihany koa ny […]
4×4 nifatratra tamin’ny hazo: Olona iray namoy ny ainy, roa hafa naratra
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany amin’ny lalam-pirenena fahasivy, omaly tokony ho tamin’ny 3 ora sy fahatelony tolakandro. Nitranga teo anelanelan’ny tanàna Ampihamy sy Antseva, kaominin’Ankililoaka, distrikan’i Toliara II, ny loza. Fiara tsy mataho-dalana iray nitondra olona telo lahy no niharan-doza teo amin’ny lalana mahitsy sy nalalaka. Nandeha mafy ny […]
Asan-dahalo: Omby 200 mahery very tany amin’ny distrikan’Antsalova
Nitrangana fanafihana sy halatra omby tany amin’ny fokontany Akaja, kaominina ambanivohitra Antsiandro, disitrikan’ Antsalova, Bemaraha Atsinanana, afakomaly tamin’ny 11 ora atoandro. Lasan’ny dahalo, nandritra izany, ny omby manodidina ny 200 isa, izay ombin’ny mpikambana ao amin’ny Mada omby. Niainga ny alahady lasa teo avy any Antsalova, hihazo ny tsenan’i Tsiroanomandidy […]
Nampiakatra maoteran-drano simba: Raim-pianakaviana maty sempotra tao anaty vovo
Namoy ny ainy tao anaty lavadrano, tany amin’ny fokontany Antanimasaja, afakomaly, ny raim-pianakaviana iray (28 taona), tamin’ny 1 ora sy sasany. Sempotra noho ny fisiana entona ratsy tao anaty lavaka izy. Nikarama nampiakatra maoteran-drano efa simba tao anaty vovo, tany amin’ny fokontany Antanimasaja, vakim-paritra faharoa Mahajanga, izy io, izao nindaosin’ny […]






