Other News

Fanatanjahantena : Asa maro ny miandry ny minisitra vaovao

Mora ny mahazo ny seza fa sarotra ny mitazona azy. Andraikitra maro no miandry ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena vaovao, aorian’ny fanendrena azy. Raha tsy misy ny fiovana farany, hampahafantarina anio ireo mpikambana mandrafitra ny governemanta vaovao tarihan’ny praiminisitra, Rajaonarivelo He­rintsalama. Mbola baraingo amin’ny maro nefa ny anaran’ny […]

Jirama: Hihamafy ny fitokonana

Mitohy anio ny fitokonan’ny sendikàn’ny mpiasan’ny Jirama, izay mikendry ny fialan’ny tale jeneralin’ny orinasa, Ron Weiss. Miray hina manao ny tolona ny mpiasa manerana ny faritra. Araka izany, mikatona ny ankamaroan’ny masoivohon’ny Jirama. Man­ga­taka ihany koa ny hanafoanana ny fampiharana ny sata vaovao izy ireo. Na izany aza, mbola hisy […]

CREM : Tokony hapetraka ny fana­vaozana ara-toekarena

Mila apetraka ho loharanom-bola ho an’ny fanjakana ny harena an-kibon’ny tany, ho tombontsoan’ny vahoaka, hoy ny « Cercle de réflexions des économistes de Madagascar » (Crem). Fotoana izao hametrahana ny fahaleovantena ara-toekarena. “Tokony ho laharam-pahamehana hifototra amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka sy ny fiarovana ny tombontsoa ara-toekarena, ny fanovana apetraka eto amin’ny firenena”, […]

TARATRY ny KANTO

“Masoandro amam-bolana”. Teatra poetika, izay hotontosain’ny tarika Randrana, ny alahady 9 novambra izao, ao amin’ny FJKM Cenhosoa Soa­vinandriana, izy ity. Ny Tsiaro no nanoratra ny piesy, izay narindran’ireo poeta Avelo Nidor sy Herinirina. Handravaka izany amin’ny hira kosa i Mandresy Ranaivoson. Nofoanana ny « Reko Europe 2025 ». Tamin’ny alahelo no nanambaran’ny […]

Na hiverina ifotony na tsia : Ilaina hatrany ny mahay tantara

Iray amin’ireo tetika nambaboan’ny vahiny an’i Mada­gasikara ny fianaran-dry zareo ny tantara nisy teto Mada­gasikara. Nanatanteraka io iraka io ireo mpitondra fivavahana sasany, ireo mpahay tantara vitsivitsy, ny mpahay taozavatra, sns. Ireny no anisan’ny nampita izany tany amin’ny firenena naniraka azy… Ny Malagasy na ireo firenena nozanahiny kosa, nezahan-dry zareo […]