Other News

“Poesam 2025”: Azon’i Mitao Forecast Africa ny loka voalohany

Natao ny zoma teo, tetsy amin’ny Orange Digital Center Soarano, ny fanolorana ny loka ho an’ireo mendrika tamin’ny fifaninanana «Prix Oran­ge de l’entrepreneur social en Afrique et Moyen-Orient», Poesam 2025. Nibata ny laharana voalohany ny Mitao Forecast Africa. Tetikasa mi­ompana amin’ny fampiasana ny teknolojia haminavinana ny toetr’andro sy hiarovana ny […]

“First Global Challenge”-Panama : Haneho ny fahaizany ny Team FGC Madagascar

Hotanterahina ao Panama, ny 29 oktobra ka hatramin’ny 1 novambra, ny fifaninanana iraisam-pirenena « First Global Challenge 2025 » (FGC) momba ny robotika. Lohahevitra amin’ity taona ity ny « Éco-Équilibre », izay andraisan’anjaran’ireo tanora marobe avy amina firenena maherin’ny 190. Hisolo tena an’i Madagasikara i Nathan, Hanniel, Barisoa ary Sylvio. […]

Seranan-tsambon’i Toamasina : Mahazaka kaontenera 4 500 ny « Terre-plein Hastie »

Efa miasa ary afaka mandray kaontenera hatramin’ny 4 500 ny « terre-plein Hastie » vaovao ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ankehitriny. Vita ny 72 % ny asa fanitarana ny seranana amin’ny ankapobeny. Mitohy ny fanavaozana sy fanitarana ny seranan-tsambon’i Toa­ma­sina. Anisan’ny asa goavana tanterahina ny fametrahana ny « terre-plein Hastie » […]

“World Judo continental” : Hatao ao RD Congo ny fifaninanana

Fantatra izao fa horaisin’ny RD Congo ny fifaninanana “World Judo continental Team Championship for peace 2026”. Notanterahina ny zoma lasa teo, tao Kinshasha, ny fifanaovan-tsonia eo amin’ny minisitry ny Fanatanjahantena congoley, Didier Budimbu Ntubwanga sy i Marius Vizer, filohan’ny International judo federation (IJF). Miavaka ity hetsika ity satria ivondronan’ireo kalazalahy […]

Taranja bisikileta : Nanjaka tamin’ny lalaon’ny RN1 i Houlder Mohamed

Notontosaina omaly, teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, ny fifaninanana taranja bisikileta, RN1 milalao. Mbola nisongadina tamin’ity indray i Mohamed Houlder, solonte­nan’i Madagasikara any amin’ ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sady milalao ao amin’ny klioba COSPN. Araka ny fanazavana azo, nataony hanomanana sy hiatrehana ny fifaninanana afrikanina ny lalao tahaka itony […]