Taranja iray anisan’ny mivoatra sy hain’ny Malagasy ny taranja Échecs. Efa mitombo be ihany koa ny misehatra amin’ity lalaon-tsaina ity ankehitriny ka vao maika mpampiakatra ny lentan’ny Échecs eto Madagasikara. Anisan’ny ahitana taratra ny fiakaran’ny lentan’ny taranja iray ny fisian’ireo taniketsa izay hoavin’ilay taranja. Manana izany ny taranja Échecs raha […]
Other News
Fitakiana andalam-be: Voafitaka ny depiote Rolland Ratsiraka
Tsy nampoizin’ny depiote voafidy teto Toamasina, Rolland Ratsiraka, ny fihetsiky ny mpianatra avy ao Barikadimy sy ny vondron’ny mpivarotra zava-pisotro mampiasa ny Miami ny sabotsy teo, tetsy anoloan’ny kianja manaram-penitra Barikadimy. Ho an’ny mpivarotra aloha, nihevitra ingahy solombavambahoaka fa hanindrahidra sy hiteny ny fitakiana tahaka ny iheverany azy ireo solontenan’ny […]
Fihaonan’ny filoha tamin’ny mpanao gazety : Hosokafana ny loharanom-baovao amin’ireo minisitera
Anisan’ireo noraisin’ny filoha Rajoelina Andry, teny Iavoloha, ny sabotsy teo, ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) sy ireo birao Analamanga ary ireo filohan’ny fikambanana mpanao gazety maromaro, toy ny CJD, Appel, FMGKriMa, Chanut Mada, AJJM. Voaresaka ny maharary ny asa fanaovan-gazety ka anisan’ ny fanatsarana nampanantenain’ny fitondram-panjakana ny hanokafana […]
Synad : “Tsy vahaolana ny fanonganam-panjakana”
“Mahita izahay fa tsy vahaolana ny fanonganam-panjakana”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny sendikan’ny administratera sivily (Synad), Rakotondramanana Solofotahina Lalaina, teny Iavoloha, afakomaly, taorian’ny fihaonan’izy ireo tamin’ny filohan’ny Repoblika. Efa niaraha-nahita ny zava-nisy teto amin’ny tany sy ny fanjakana nandritra ny fitondrana Tetezamita. Tsy vahaolana ny mbola hiverenan’ny krizy indray. Satria hijaly […]
Vondrona Irmar : Nidina an-dalambe koa ny mpanohana
Tanteraka tao anatin’ny filaminana ny sabotsy teo ny hetsika nataon’ny mpomba ny filoha Rajoelina Andry. Nasehon’izy ireo ny mbola fanohanany ny fitondrana sy ny fitsipahana ny korontana. Samy niainga amin’ny boriborintany nifanakaiky ny diabe nataon’ireo fikambanana, olon-tsotra naneho ny fiarahany amin’ny filoha Rajoelina Andry. Anisan’izany ny nifamotoanan’ireo avy eny amin’ny […]







