Nanao pao-droa indray ny ekipan’ny Zandarimariam-pirenena, taranja volley-ball, ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy “1ère division”, natao teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Norombahin’ny GNVB avokoa ny fandresena teo amin’ny sokajy lehilahy sy vehivavy, tamin’ity fifaninanana ho an’ny taom-pikatrohana 2025 ity. Manaporofo ny maha kalaza sy […]
Other News
Fifanintsanana Mondial 2026 : Hivoaka rahampitso ny lisitry ny Barea
Eo am-piandrasana fatratra ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny Barean’i Madagasikara ny rehetra amin’izao fotoana izao. Fihaonana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”. Raha tsy misy ny fiovana farany, hivoaka rahampitso izany, araka ny fanambaran’ny mpanazatra, i Corentin Martins. Nivoaka tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, fa hivoaka amin’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nilaza ho efa mahafantatra ireo tompon’andraikitra tamin’ireo fandrobana ny eo anivon’ny Emmo/Nat, omaly. “Efa fantatra koa ireo mpamatsy vola ny fandrobana ary misy koa ireo efa namerina ny entana norobaina. Mitohy ny fanadihadiana handraisana fepetra haingana », hoy ny mpitondra teny, ny Jly Ravoavy Zafisambatra. Nahemotra ho amin’ny 8 ora […]
Depiote irmar : Manamafy ny fanohanany ny Filoha
Manoloana ny toe-draharaha miseho eto Antananarivo sy tamin’ireo tanàn-dehibe maro, nanao fanambarana ny Solombavambahoakan’i Madagasikara ao anatin’ny vondrona Irmar, omaly, tetsy amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza. Nilaza izy ireo fa miombona alahelo sy ny miara ory amin’ireo fianakaviana very havana, ary mankahery ireo naratra sy very fananana. Manameloka ihany koa ny herisetra, […]
Tsy kivarivary izy ity!
Mbola tsy hita be ihany aloha ny ho fiafaran’ilay hetsiky ny mpidina an-dalambe. Tsy mampino ny zava-mitranga eto an-drenivohitra. Raha mitorajofo ny grenady mandatsa-dranomaso sy ny tifitra any amin’ny toerana misy fihetsiketsehana, toa milamina be tsy misy na inona inona amin’ny sakeli-tanàna hafa. Dia misosasosa ny fiainana andavanandro. Eo […]







