Other News

Rugby, sokajy vehivavy: Nomena sehatra tany Londres ny Makis ladies

Voalohany teo amin’ny tantaran’ny rugby malagasy tao anatin’izay 125 taona nahatongavany teto Madagasikara izay, no hany nahazo fanasana manokana avy amin’ny World Rugby ka nampahafantarina izao tontolo izao, ny tantaran’ny baolina lavalava, sokajy vehivavy. Fantatra tany Londres nandritra ny «Mondial 2025», ny lazany. Nanoratra tantara vaovao eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena […]

Minisitra Marson Moustapha : Miantso ny fitoniana sy ny firaisankina

Namoaka hafatra manokana ho an’ny tanora malagasy manerana ny Nosy, amin’izao zava-misy eto amin’ny firenena izao, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), i Marson Moustapha Abdulah. Miray fo sy maneho fiaraha-miory amin’ireo fianakaviana namoy havana izy ary maniry fahasitranana haingana ho an’ireo naratra. Nam­pahery ihany koa ny orinasa […]

« IJF Tour – Grand Prix Qingdao » : Nandrombaka medaly volafotsy Rasoanaivo Laura

Namiratra tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena, taranja Judo, sokajy vehivavy, latsaky ny 70 kg, Rasoanaivo Laura. Nahazo medaly volafotsy ny tenany, tamin’izany, ary notolorany ho an’ny Malagasy ny medaly azony. Ny zava-drehetra dia azo tanterahina! Nandrom­baka medaly volafotsy, tamin’ny fifanintsanana iraisam-pirenena, amin’ny taranja Judo, izay natao tany Chine, ny faran’ny herinandro teo, […]