Medaly voalohany azon’ny Malagasy ao anatin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Jiu-jitsu brezilianina, tanterahina any Abu Dhabi, ny medaly volamena norombahin-dRanaivomanana Idealisoa, ny alahady lasa teo. Voahosotra ho tompondaka maneran-tany, araka izany, ity Malagasy mpikatroka eo amin’ny Gi/Kids 3/White/32kg, ity. Marihina fa zandrin’i Christian, ilay nahazo laharana fahatelo tamin’ny fiadiana […]
Other News
Lalao ara-pirahalahiana : Lavon’ny Barea 2 no ho 0 i Guinée Equatoriale
Nahita fahombiazana ny ekipa nasionaly malagasy, omaly, tany Turquie. Nandresy an-dry zareo Nzalang Nationale Guinée Equatoriale ny Barea. Andrasana ny filaharan’ny Fifa. Tsara ny vokatra ho an’ny Barean’i Madagasikara. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 0, ny Nzalang Nationale an’i Guinée Equatoriale, omaly, tany Turquie. Fifanandrinana tafiditra anaty lalao […]
TARATRY ny KANTO
Hiverina ny fandaharana « Torak’Hehy ». Vaovao lehibe ho an’ny mpankafy an’ity fandaharana mampihomehy sy mampiala voly, nampalaza ny fahitalavitra TVM tamin’izany fotoanany ity, izany. Ry zalahy ao amin’ny tarika Fou Hehy no nampiaina ny fandaharana « Torak’Hehy », izay naka endrika tantarakely mampihomehy, mandeha isan’andro. Enjehin’ny mpianakavy mihitsy ny lera handehanan’ny fandaharana taloha, […]
Ranjatohery Harilala : «Aleontsika mitomany randrana manendrika ny hafa»
Nandritra ny fanokafana ny fankalazana ny faha-62 taonan’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany no nanatanterahana ny velakevitra: « Ny soatoavina malagasy sy ny fanatontoloana ». Fotoana nanehoan-dRanjatohery Harilala, akademisianina sady mpahay tantara, ny heviny. « Manana soatoavina mampiavaka antsika Malagasy isika. Tahaka ny fihavanana izay ventesintsika mandrakariva. Mazàna anefa no toa tsy omentsika lanja […]
Rohin’ny boky: Mila matihanina ireo mpisehatra
Miaina, saingy marefo ny tontolon’ny boky eto Madagasikara. Ho fanatrarana ny tanjona, mila miroso mankany amin’ ny maha matihanina kokoa ireo mpisehatra rehetra anatin’ny rohin’ny boky. «Ny rohin’ny boky sy ny satan’ireo matihanina eto Madagasikara». « Ny fanentanana momba ny varotra boky ». Ireo no lohahevitra roa, niompanan’ny fampiofanana sy ny fizarana […]






