Other News

Fidinana an-dalambe : Niafara tamin’ny fisamborana, fandrobana sy fandorana

Maro ny mpanao fihetsiketsehana “Leo delestazy”, omaly. Nirefodrefotra ny grenady mandatsa-dranomaso sy ny tifitra. Nifarana tamin’ny fandrobana sy fandorana tanàna ny hetsika. Mihatra ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina. Nahitana fidinana andalam-be avokoa ny toerana rehetra manerana an’Antananarivo, omaly ma­raina hatramin’ny hariva. Nikasa hiditra an’Ambohija­tovo ireo mpitolona fa nosakanan’ny mpitandro […]

Tsipy kanetibe : Tafaverina omaly ny ekipam-pirenena malagasy

Omaly no nigadona an-tanindrazana ny ekipam-pirenena malagasy, sokajy lehilahy, taranja tsipy kanetibe. Raha tsiahivina, niatrika fifaninanana maro tany Eoropa izy ireo, nandritra ny telo volana ka anisan’izany ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, notontosaina tany Italie, ny faran’ny herinandro teo. Tsy nitsanga-menatra ny firenena tamin’izany satria nitondra vokatra maro ka […]

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny fikarohana natao, omaly, efa niditra sahady amin’ny fampivondronana voalohany ny ekipam-pirenena Makis de Madagascar, izay hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny lalao Rugby, lalaovin’olona fito. Tsiahivina fa efa manana ny lazany anatin’ity sehatra ity ny ekipa nasionaly malagasy, ka izay no hanamafisana sahady ny fampivondronana amin’ny fiatrehana ny fifanintsanana iraisam-pirenena […]

Baolina kitra : Hilalao ao amin’ny Al Merrikh SC i Fenohasina

Nambaran’ny klioba Al Merrikh SC avy atsy Soudan, omaly, tao amin’ny tambajotran-tseraseran’izy ireo, fa lasany tanteraka i Fenohasina Gilles, Malagasy lohalaharana. Naharesy lahatra azy ireo haka an’ity mpilalao ity ny zava-bitany nandritra ny fifanintsanana Chan 2024 farany teo iny. Araka ny fikarohana natao, haharitra efa-taona eo ny fifanarahan’ny roa tonta. […]

Échecs-“Mondial Jeunes” : 6 mianadahy hisolo tena an’i Madagasikara

Hotontosaina ny 3 hatramin’ny 16 oktobra izao, any Albanie, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany taranja Échecs, sokajy Jeunes. Hanana solontena i Madagasikara. 6 mianadahy no hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity fiadiana ny tompondaka maneran-tany taranja Échecs, sokajy Jeunes ity. Ny sokajy latsaky ny 14 taona, 16 taona ary 18 taona no […]