Nambaran’ny governora an’Analamanga, Rasoamaromaka Hery, tetsy Ambohidahy, omaly, fa tsy mendrika ny hasiana korontana intsony eto Madagasikara. Nohamafisiny hatrany fa tsy mety ho an’ny Malagasy intsony izany, indrindra ny resaka fanimbana fananan’olona. «Manoloana ireny resaka anaty tambajotran-tserasera ireny, amiko manokana dia tsy mety amintsika intsony ny manimba fananan’olona izany», hoy […]
Other News
« Hetsika 25 septambra »: Manameloka fikotrehana korontana ireo loholona
Nanao fanambarana miaraka ireo loholona manoloana ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena ankehitriny. Tsipahin’izy ireo ny hetsika hotanterahina, anio eny Ambohijatovo. «Manameloka ny fikotrehana korontana amin’ny fomba rehetra ataon’ny mpanohitra ka hitadiavana hanaovana sorona ny vahoaka sy ny firenena izahay», hoy izy ireo. Nohelohin’izy ireo koa ny fandranitana fankahalana sy […]
Fitantanam-panjakana : Miantoka ny fitandroana ny filaminam-bahoaka ny governemanta
Ankoatra ny fampandehanan-draharaham-panjakana, miantoka ny fiarovana ivelany amin’ny alalan’ny diplaomasia sy ny fiarovana ny lafintany ny governemanta. Eo koa ny fiantohana ny filaminana anatiny sy ny fitandroana ny filaminam-bahoaka. Andrana famakafakana… Ny teny hoe governemanta dia niseho tamin’ny taonjato faha-XII, avy amin’ny matoanteny latinina ary mifandray na nindramina avy amin’ny […]
TARATRY ny KANTO
Hiditra ao anatin’ny andiany faha-2 ny « Bir’Art Festival ». Hetsika kolontsaina an-tanàn-dehibe tanterahina ao Antsirabe, renivohitr’i Vakinankaratra. Ireo zavakanto fahita eny an-tanàn-dehibe no handrafitra ny fandaharam-potoana ny 26 septambra sy ny 27 septambra izao. Anisan’izany ny « parkour », « fresque murale », « danse », « percussions » ary ny « slam ». Ankoatra ireo mpanakanto avy eto an-toerana, ho […]
« Festival Ant’sary doc Mada »: Handray ny hetsika i Bemasoandro
Tsy ho an’Antananarivo ihany. Hivelatra ho an’ny mponina eny Bemasoandro ny « Festival An’Tsary Doc Mada », andiany fahatelo, izay hanomboka rahampitso. Hatokana ho an’ny horonantsary fanadihadiana, izay foronina kanefa mifototra amin’ny lohahevitra misy sy iainana ny « Festival An’Tsary Doc Mada ». Nampahafantarin’ny mpikarakara, omaly, ny andinindininy momba izany, tetsy amin’ny IFM Analakely. […]






