Other News

Fanatsarana ny velon-tena : Ala honko 15 000 ha harenina any Boeny

Harenina ny ala honko any amin’ny faritra Boeny. Tsinjovina ihany koa ny velon-tenan’ny mponina eny ifotony. Tafiditra amin’ny tetikasa iray an’ny Bôndy Madagasikara izany. Nanomboka ny taona 2021 ny tetikasa Honko, tanterahin’ny orinasa Bôndy. Miisa efatra ny faritra iasany, Diana, Sofia, Boeny ary Melaky. Tanjon’ny tetikasa ny hanarenana ny ala […]

TSELATRA

Jiolahy iray lavon’ny zandary tany Betioky Atsimo, afakomaly alina. Nikasa hanafika tranon’olona iray tany an-toerana izy ary nifanehitra tamin’ny zandary mpanao fisafoana tao an-tampon-tanànan’ny kaominina Bezaha. Nandositra ary voatifitry ny zandary ka lavo. Jiolahy raindahiny ary fanta-daza amin’ny resaka vaky trano sy efa mpamerin-keloka sy efa nigadra matetika ihany koa […]

Nodomin’ny fiara : Mpitondra bisikileta iray namoy ny ainy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ny kaominina Ampi­tatafika, distrikan’Antanifotsy, faritra Vakinankaratra, lalam-pirenena fahafito, omaly tamin’ny 1 ora atoandro. Fiara kely iray, marika Daihatsu, no ni­faoka mpitondra bisikileta iray. Avy aty Antananarivo, handeha hianatsimo io niavian’ny loza io, raha ny tatitra voaray. Vokany, maty tsy tra-drano ilay rangahy noho ny […]

Doro tanety : Trano 75 tafo kilan’ny afo

Kilan’ny afo tanteraka ny trano manodidina ny 75 tafo any amin’ny fokontany Ankadimena, kaominina Fierenana, disitrikan’i Tsiroanomandidy, afakomaly alina. May tao avokoa ny biby fiompy rehetra, ny vola tahiry, ny vary, hatramin’ny entana rehetra tao anatiny, raha ny tatitra voaray. Levon’ny afo ary lasa lavenonana avokoa ny trano sy ny […]

Fandrobana tetsy Ankazomanga : Hotely very 144 tapitrisa Ar, sy 12 230 Dolara mahery

Voaroba ny hotely iray, omaly maraina, tetsy Ankazomanga. Tsy lasa lavitra fa voasambotra ny efa-dahy. Mbola nahatrarana 144 tapitrisa Ariary sy 12 230 Dolara ny iray. Notafihin’ny andian-jiolahy mitam-piadiana ny trano fandraisam-bahiny iray etsy Ankazomanga, omaly maraina. Norobain’izy ireo, tamin’izany, ny vola re­hetra. Lasa nitsoaka avy ha­trany ny olon-dratsy rehefa […]