Other News

Haintrano sy haintany : Orinasa iray ravan’ny afo inefatra miantoana

Miditra amin’ny maintany ny ankamaroan’ny faritra eto Madagasikara. Mahazo vahana sahady ny haintrano sy ny doro tanety. Tranga nampihoron-koditra, omaly, tao Toamasina, orinasa lehibe no inefatra ravan’ny afo hatramin’ny 2019. Nahazo antso mahakasika firehetana ny vondrona mpamonjy voinan’ny kaominina an-drenivohitra Toamasina, tamin’ny 03 ora maraina. Tonga teny an-toerana avy hatrany […]

Asa sy fampananana asa ao Toamasina : Ambony ny tahan’ny asa tsy manara-drafitra

Faritra iray azo lazaina ho ambony amin’ny tahan’ny tsy fananana asa manara-drafitra ny any amin’ny faritr’ Atsinanana. Amin’ ny ankapobeny, ambony ny tahan’ny olona miasa-tena, afaka mitady vola ivelomana isan’andro. Anisan’ny angom-baovao notrandrahina nandritra ny fitokanana ny birao hisahana ny asa sy fampiofanana arakasa, ny 11 aogositra teo, tao Tanambao […]

VAOVAO TAMBATRA

Nitombo ho adiny 4 ny delestazy teto an-dRenivohitra, omaly. Nandritra ny andro maraina hatramin’ny hariva, nitety ny faritra samihafa, satria nokendrena tsy ho ao anatin’ny fotoana nanatanterahana ny lalaon’ny Barea, nandeha tamin’ny fahitalavitra. Nime­nomenona kosa anefa ireo mpamokatra, mpampiasa herinaratra satria potika ny fihariany. Tonga eto amintsika ny iraky ny […]

Entana eny an-tsena : Nilatsaka ho 450 Ariary ny vidin’ny atody

Nahitana fihenana indray ny vidin’ny atody amin’izao fo­toana izao. Araka ny fanadihadiana natao teny Ambohija­tovo, omaly, nilatsaka ho 450 Ariary ny kely indrindra amin’izany ankehitriny, raha toa ka 600 Ariary izany teo aloha. Ny lehibe kosa, lasa 650 Ariary raha nojifaina 850 Ariary tany aloha. Nambaran’ireo mpivarotra fa rehefa mafana […]

« FIA 2025 »: Fihaonamben’ny famokarana

Nisokatra omaly, 4 hatramin’ny 7 septambra, eny amin’ny CCI Ivato, tamin’ny fomba ofisialy, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono (FIA), andiany faha-7. Miaraka amin’io hetsika io koa ny Festival iraisam-pirenena ho an’ny fandrahoan-tsakafo (FIGA), andiany voalohany. Mifameno rahateo ireo roa ireo, satria ho hita amin’ny […]