Other News

Mijinja izay nafafy

  Hafa raha samy hafa ny fihodin’ny tantaram-piainana ho an’ny mpilalao sy ny ekipa teknikan’ny Barean’i Mada­gasikara, vao nahazo ny maha tompondaka lefitr’i Afrika. Tao anatin’ny andro vitsivitsy, lasa mpanefoefo sy « ngahy ndriana » kely ry zalahy. Hahazo villa amin’ny tanàna raitra dia raitra, mbola nomena volabe tamin’ny baoritra nentina nody, […]

Justice et Paix : « Ilaina ny mangarahara ao anatin’ny fanjakana tan-dalàna »

Nahitsy ny eo anivon’ny Vaomieran’ny eveka Justice et Paix, eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), amin’ny hafatra nampitainy, indrindra ny momba ny fiainam-pirenena «Izao fotoana izao indrindra no ilana apetraka ny mangarahara ao anatin’ ny fanjakana tan-dalàna», hoy ny hafatry ny Vaomieran’ny eveka Justice et Paix eo anivon’ny Fivondro­namben’ny eveka eto […]

TSELATRA

Bevohoka 23 herinandro mahery ny ankizivavy 13 taona, naolan’ny tovolahy 21 taona, tetsy Lohanosy, kaomininina Ambohijanaka, ny volana marsa lasa teo. Havany ihany ity ankizy naolany ity. Nosamborina avy hatrany io tovolahy io ary miatrika fanadihadiana eny amin’ ny sampandraharaha misahana ny heloka bevava. Teratany kaomorianina iray maty notsindromin’ny mpiambina […]

Fasan’ny karana sy Ampasapito: Lehilahy roa tratra teo am-panendahana

Misesisesy ny fisambo­rana olon-dratsy eto Antana­na­rivo tato ho ato. Lehilahy roa indray voasambotry ny polisy noho ny resaka fanendahana sy hala-boty, omaly. Tratran’ny polisy tetsy Ampasapito ny lehilahy iray tamin’izy ireo, omaly tamin’ny 8 ora sy sasany. Vao avy nanendaka mpandeha an-tongotra izy io ary saika lasany tamin’izany ny poketra […]

Mpiara-miasa amin’ny dahalo : Lehilahy iray nahatrarana basy

Mitohy hatrany ny fanenjehana ireo olon-dratsy mampanofa basy sy miray tsikombakomba amin’ny dahalo. Voasam­botry ny zandary ny lehilahy iray monina any Antsingila, fokon­tany Tsiazompaniry, kaominina Ambanivohitra Sabotsy Nama­toana, ny herinandro lasa teo. Tratra izy io taorian’ny vela-pandrika nataon’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Behenjy. Nahitana basy vita tanana, mirefy 25 […]