Other News

Famatsian-drano: Kojakojaina ny milina eny Mandroseza

Atao anio 23 oktobra ny asa fikojakojana ny milina «décanteur Pulsator 1» eny amin’ny toby famatsian-drano Mandroseza I. Tsy maintsy atao izany, hampaharitra ny fotodrafitrasa, miantoka ny fenitra amin’ny fanadiovan-drano ary indrindra ahafahana mampitombo ny famatsiana eto Antananarivo sy ny manodidina. Maharitra adiny 8 ny fanatanterahana ny asa. Mano­loana izany, […]

Mila mahay maka lesona

  Nahavariana ny besinimaro ny fivoaran’ny toe-draharaha politika, omaly. Andaniny, nisomebiseby tamin’ny fandraisana fahefana ny Praiminisitra, teny Mahazoarivo. Toraka izany, nihidy aman-trano teny an-dapa ny mpitondra sy ny iraky ny Sadc. Ankilany anefa, nanaitra ny fahitan’ny olona miaramila iray, manamboninahitra jeneraly, teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Voalaza fa mpanohitra fanjakana […]

TSELATRA

Niakatra fitsarana, omaly, ny raharaha fanompana sy fikasihan-tanana mpamily nataona lehilahy roa teny Manjakaray, ny herinandro lasa teo. Fandrahonana ho faty sy vono sy ratra no niampangana azy ireo. Nifona teo imason’ny mpitsara ireo voampanga. Honitra 2 tapitrisa no nangatahin’ny lasibatra. Hivoaka ny alatsinainy 27 oktobra izao ny didim-pitsarana. Nangataka […]

Nifandona tamin’ny taxi-be : Olona roa nitaingina moto namoy ny ainy

Mpitondra kodiaran-droa iray namoy ny ainy rehefa nifandona tamin’ny taxi-be, teny amin’ny fokontany An­kazobe, kaominina Alasora, distrikan’Antananarivo Avara­drano, omaly maraina. Nitain­gina moto scooter, lehilahy iray sy vehivavy niaraka taminy ireo tra-doza ireo. Niala bisikileta teo alohany io moto io kinanjo nifatratra tampoka tamin’ny taxi-be izay nifanoha-dalana tamin’izy ireo, araka ny […]