Other News

Fifanintsanana “Mondial 2026” : Dingana iray ny fifanandrinana amin’i Comores

Hatao anio, any Côte d’Ivoire, ny lalao hihaonan’ny Coalacanthes Comores sy ny Barean’i Madagasikara. Fifanintsanana tafiditra anatin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2026. Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Félix Houphouët-Boigny, any Côte d’Ivoire, ny fifandonan’ny ekipam-pirenena malagasy, Barea, sy ny ekipan’i Como­res, Coelacanthes, amin’ny andro faha-9, fifaninanana hiadin-toerana ho amin’ny […]

Ramiadamanana John Spartane : “Fomba tsara indrindra ianarana teny vahiny ny mihaino sy mamerina”

Anisan’ny mpampianatra teny vahiny, manana ny lazany any ivelany, Ramiada­manana John Sparta­ne. Nisy ny fanadihadiana natao taminy, ny faran’ny herinandro teo. “Tsotra sy tia mizara”! Izay no teny hamehezana an-dRamiada­manana John Spartane, fantatra amin’ny anarana hoe John Spartane, ao amin’ny tambajotran-tserasera. Tia mizara sy mampianatra ny teny vahiny ny tenany. […]

VAOVAO TAMBATRA

Nanomboka nivoha ny ankamaroan’ny tranomboratra etsy Behoririka, omaly. Anisan’izany ireo mpivarotra finday, kojakoja fiarakodia, lamba sy akanjo. Nambaran’izy ireo fa tsy maintsy mivarotra na tsy mbola azo antoka aza ny fandriampahalemana. Satria fidiram-bola isan’andro ny azy ireo. Eo koa ny hofan-toerana. Mitohy toy ny mahazatra kosa ny mpivarotra sakafo, toy […]

Fizahantany : Manomboka tonga ny sambo vaventy

Nisantatra ny fizahantany amin’ny fandehanana amin’ny sambo vaventy ny sambo The World. Niantsona tany amin’ny morontsiraka ao amin’ny Valanjavaboahary Baly, Tsin­gy Namoroka, any Soalala, ity sambo ity, ny 23 septambra teo. Taorian’ny faritra Boeny, ni­hazo ny any Antsiranana, fa­ritra Diana, indray izy io, nahitana mpandeha 198. Nihazo ny Valanjavaboahary Masoa­la, […]

RN13: Madiva ho vita ny asa

Mitohy ny asa fanarenana ny lalam-pirenena faha-13, ampahany voalohany, mampitohy an’Ambovombe sy Tao­lagnaro. Ho vita tanteraka tsy ho ela ity lalana ity, mirefy 114 km. Nanomboka tamin’ny taona 2023 ny asa, ary manatanteraka izany ny orinasa Colas sy ny Top international. Mitentina 235,5 tapitrisa euros ny nanatanterahana ity ampahany voalohany […]