Other News

TSELATRA

Lehilahy 28 taona hita faty tao amin’ny fokontany Fenomanana, kaominina Faravohitra, distrika Fa­ratsiho, omaly. Mpandalo no nahatsikaritra ny fisian’io faty io. Niantso ny tomponandraikitra avy hatrany ny fokonolona. Lehilahy mpisoloky milaza ho mahatafavoaka olona hiasa any Maorisy voasambotry ny polisy tao Antalaha, ny 12 aogositra teo. Nangalany lelavola 5 tapitrisa […]

Tsindron’antsy nahafatesan’olona : Nalefa eny Antanimora ilay lehilahy nahavanon-doza

Niakatra fampanoavana te­tsy anivon’ny Fitsarana amba­ratonga voalohany Anosy, oma­ly, ny raharaha mahakasika ireo roa lahy nifanindrona antsy tetsy Ambohinosy Anta­nety II, kaominina ambanivohitra Alakamisy Fenoarivo, ny 9 aogositra lasa teo. Mandra-piandry ny fotoam-pitsarana, naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora ny lehilahy na­havanon-doza, izay nahavita namono nahafaty ny namany tamin’ny alalan’ny tsindron’antsy. […]

Fandrobana eny amin’ny RN2: Olona valo voasambotra

Tambajotran-jiolahy mpandroba fiara mpitatitra entana eny amin’ny lalam-pirenena faharoa ravan’ny zandarimaria miasa ao Moramanga, omaly. Nalain’ny olon-dratsy ny entana nentin’ny kamiao iray niala avy ao Toamasina nikasa hihazo an’Antananarivo, ny alin’ny 11 hifoha ny 12 ao­go­sitra teo. Very tamin’izany ny entana sarobidy tao anatin’ny fiara, teo anelanelan’i Moramanga sy Ampasimpotsy […]