Other News

Baolina kitra : Hilalao ao amin’ny Al Merrikh SC i Fenohasina

Nambaran’ny klioba Al Merrikh SC avy atsy Soudan, omaly, tao amin’ny tambajotran-tseraseran’izy ireo, fa lasany tanteraka i Fenohasina Gilles, Malagasy lohalaharana. Naharesy lahatra azy ireo haka an’ity mpilalao ity ny zava-bitany nandritra ny fifanintsanana Chan 2024 farany teo iny. Araka ny fikarohana natao, haharitra efa-taona eo ny fifanarahan’ny roa tonta. […]

Échecs-“Mondial Jeunes” : 6 mianadahy hisolo tena an’i Madagasikara

Hotontosaina ny 3 hatramin’ny 16 oktobra izao, any Albanie, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany taranja Échecs, sokajy Jeunes. Hanana solontena i Madagasikara. 6 mianadahy no hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity fiadiana ny tompondaka maneran-tany taranja Échecs, sokajy Jeunes ity. Ny sokajy latsaky ny 14 taona, 16 taona ary 18 taona no […]

Fiainana andavanandro : Manodidina ny 30 000 Ariary ny kilaon’ny savoka

Anisan’ireo singa iray ahafahana mampangirana zavatra ny savoka, ary betsaka amin’ny Mala­gasy no mampiasa izany hanadiovana trano. Efa mahatratra 30 000 Ariary ny kilaon’izy ireny eny an-tsena. Ny savoka. Akora iray manana toetra manokana, malefaka sy mora miempo rehefa misy hafanana ny savoka ary mivaingana rehefa mangatsiaka. Araka ny fanadihadiana […]

Ankadifotsy : Efitra roa niaraka tamin’ny entana kilan’ny afo

Trano iray misy rihana no nirehitra tetsy Ankadifotsy Befelatanana akaikin’ny “Gas­com”, omaly atoandro tamin’ny 12 ora latsaka dimy. May kilan’ny afo tanteraka, tamin’ izany, ny efitrano roa tany amin’ny rihana voalohany. Le­von’ny afo tao ihany koa ireo entana rehetra. Niainga tao amin’ny efitra iray tao amin’ny rihana ambony ny afo, […]

Volley-Mada 1D : Hiditra amin’ny ampahefa-dalana, anio

Hotanterahina anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny dingana ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Volley-ball, ho an’ny sokajy “1ère division” lahy sy vavy. Ekipa 4 isaky ny vondrona manana isa ambony indrindra no hifandona mandritra ity ampahefa-dalana ity. Raha hiverenana ny voka-dalao omaly, lalao anisan’ny nandrasana ny teo […]