Other News

Filoha Rajoelina tao amin’ny ONU: « Tsy mitondra fitoniana ny fifandonana »

Niakatra teo amin’ny pilopitran’ny Firenena mikambana (ONU) any New York ny filoha Rajoelina Andry, nandaha-teny, aninkeheo tamin’ny 2 ora maraina. Nambarany tamin’izany ny antso avo sy ny fametrahana filaminana maneran-tany. «Tsy vahaolana ny fizarazarana ary tsy mitondra fitoniana ny fifandonana », hoy ny filoha Rajoelina Andry. Lahateniny mavesa-danja manoloana ireo filoham-panjakana […]

Hetsika eo Ambohijatovo : Mailo ny masoivoho frantsay

Namoaka fanambarana manoloana ny «Hetsika 25 septambra», anio, ny eo anivon’ny masoivoho frantsay. Niantso ireo terataniny rehetra mba hisoroka araka izay azo atao mba tsy hivezivezy eny amin’iny faritra Ambohijatovo sy ny manodidina iny, ho an’ny anio, manoloana izany fihetsiketsehana hiseho izany, ny fanambarana. Nanentana ireo teratany frantsay koa ny […]

Governora Rasoamaromaka Hery: « Tsy mila korontana intsony i Madagasikara »

Nambaran’ny governora an’Analamanga, Rasoama­romaka Hery, tetsy Ambo­hidahy, omaly, fa tsy mendrika ny hasiana korontana in­tsony eto Madagasikara. Nohamafisiny hatrany fa tsy mety ho an’ny Malagasy in­tsony izany, indrindra ny resaka fanimbana fananan’olona. «Manoloana ireny resaka anaty tambajotran-tserasera ireny, amiko manokana dia tsy mety amintsika intsony ny manimba fananan’olona iza­ny», hoy […]

« Hetsika 25 septambra »: Manameloka fikotrehana korontana ireo loholona

Nanao fanambarana miaraka ireo loholona manoloana ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena ankehitriny. Tsipahin’izy ireo ny hetsika hotanterahina, anio eny Ambohijatovo. «Manameloka ny fikotrehana korontana amin’ny fomba rehetra ataon’ny mpanohitra ka hitadiavana hanaovana sorona ny vahoaka sy ny firenena izahay», hoy izy ireo. Nohelohin’izy ireo koa ny fandranitana fankahalana sy […]

Fitantanam-panjakana : Miantoka ny fitandroana ny filaminam-bahoaka ny governemanta

Ankoatra ny fampandehanan-draharaham-panjakana, miantoka ny fiarovana ivelany amin’ny alalan’ny diplaomasia sy ny fiarovana ny lafintany ny governemanta. Eo koa ny fiantohana ny filaminana anatiny sy ny fitandroana ny filaminam-bahoaka. Andrana famakafakana… Ny teny hoe governemanta dia niseho ta­min’ny taonjato faha-XII, avy amin’ny matoanteny latinina ary mifandray na nindramina avy amin’ny […]