Raim-pianakaviana iray hita faty tao amin’ny tetezana Amboasary, fokontany Tsinjony, kaominina Behenjy, distrikan’Ambatolampy, omaly. Tsy nisy taratasy nahafantarana azy teny aminy. Noraisin’ny tomponandraikitra an-tanana ny fikarakarana ny razana. Nitondra ny teny fankasitrahana ny ekipan’ny polisim-pirenena noho ny fahatanterahan’ny fivoariamben’ny Sadc tamim-pilaminana, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Controleur général de police, […]
Other News
Fakana an-keriny zaza varira : Olona valo naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana ambony, any Mananjary, afakomaly, ireo olona valo voarohirohy ao anatin’ny tambajotra mpaka an-keriny zaza varira. Vokany, naiditra vonjimaika am-ponja avokoa izy rehetra, taorian’izay. Voasambotra ny 16 aogositra 2025 lasa teo, tany Ambalahosy Avaratra, distrikan’i Mananjary, ny olon-dratsy miisa enina, raha toa ka efa voasambotra sy […]
Tsy nahaloa vidin-tsakafo: Voasambotra ilay teratany frantsay
Tratra ihany rehefa niafina nandritra ny andro vitsivitsy ny lehilahy teratany frantsay 42 taona. Nanjifa tamin’ny toeram-pisakafoana iray tao Toamasina izy, ny 14 aogositra lasa teo. Nitsoaka avy hatrany avy eo satria tsy nahaloa ny vidin-tsakafo nohaniny. Hitan’ny mpaka fasika teo ambany tetezana Analamalotra, kaominin’Antetezambaro, Toamasina II, izy io ny […]
Efa-dahy voasambotra: Vehivavy voaolana sady voadaroka
Nivonto maso sy tarehy ny vehivavy iray niharan’ny fanolanana sy vono nataon’ny efa-dahy tao Antatamokely-Ampatsakana, kaominina Ankazobe, ny alahady teo. Tratra avokoa ireo nahavanon-doza. Nalemy, vaky loha sady nivonto ny tata-masony roa an’ny vehivavy iray niharan’ny fanolanana sy vono tao Antatamokely-Ampatsakana, fokontany Ankazobe I, kaominina Ankazobe, ny alahady 17 aogositra […]






