Other News

Tsipy kanetibe – «Mondiaux 2025»: Tompondaka maneran-tany, olon-droa miaraka, ny Malagasy

Nitondra avo ny voninahi-pirenena indray ny taranja tsipy kanetibe. Voahosotra ho tompondaka maneran-tany, eo amin’ny olon-droa, lahy sy vavy, miaraka ny Malagasy rehefa nandresy an-dry zareo frantsay, teo amin’ny famaranana. Anaram-boninahitra voalohany azon’i Madagasikara. Tsara fiafara ny dian’ny Malagasy tany amin’ny fiadiana ny ho tompon­daka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, ho […]

Seho indroa nisesy: Nahavory olona hatrany ny Tarika AmbondronA

Ny zoma sy ny omaly, fenon’ny tarika AmbondronA hatrany ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina etsy Imaha­masina. Nahitana fanatsarana hatrany ny teny an-tsehatra sy ny tontolon’ny fampisehoana manontolo. Anisan’izany ny nisian’ ireo mpitendry zavamaneno hafa ivelan’ny tarika izay nahitana sy nahenoina fa nanana « loko » hafa indray ireo hira nahafantarana ny tarika […]

Angaredona Mozika Festival: « Tafita ny hafatra… », hoy Rajery

Nanomboka ny 13 septambra teo… Tontosa omaly, teny Ambohimanga, ny famaranana ilay hetsika kolontsaina lehibe « Angaredona Mozika Festival » andiany faha-18. Nambaran’i Faly Randriamiarantsoa, tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ity hetsika ity fa « fahombiazana lehibe raha fintinina ny Angaredona Mozika Festival ho an’ity taona 2025 ity. Tan­teraka tokoa ilay hoe kolontsaina mampiray […]

« Intervision 2025 »: Laharana faha-8 i Madagasikara

« Intervision 2025 », fifaninanana iraisam-pirenena eo amin’ny tontolon’ny hira, notanterahina tany Rosia. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany i Denise sy i D-Lain. Nisy ny nampisogadina azy mianadahy. Iray amin’ireny ny feo. Nanana ny fanapahan-keviny ny mpitsara… Tontosa ny sabotsy 20 septambra lasa teo, ta­min’ny 10 ora alina, tany Rosia, ny fandraisan’anjaran’i Denise […]