Other News

Lisi-pifidianana biometrika : Naka traikefa any Bénin ny eo anivon’ny Ceni

Efa an-dalana amin’ny firosoana ho fanatsarana ny fifidianana ny eo anivon’ny Ceni. Anisan’izany ny hampiasana ny lisi-pifidianana biometrika, hampanarahana ny fenitra iraisam-pirenena. Namita ira­ka any Bénin ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama, sy ny ekipany naka traikefa amin’ ny fomba hanatanterahana izany amin’ny fifidianana hatao eto Madagasikara. Anton-dian’izy ireo any an-toerana […]

Karate-“Mondial 2025” : Malagasy 6 hiatrika ny dingana farany

Nanamafy ny maha zava-dehibe ny niatrehana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika farany teo, natao tany Nizeria, ny filohan’ny Federasionina ny karate-do malagasy, Ratefinanahary Émile. Nambarany fa nahazoana ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany iny fifaninanana iny. Ary ny tena vaovao tsara, avy hatrany dia ny dingana farany mihitsy […]

Filohan’ny FJKM, Andriamahazosoa Irako : “Aoka hahay hizara am-pitiavana madiodio…”

Nampita hafatra mafonja ny filoha am-perinasan’ny FJKM, ny Dr Andriamahazosoa Irako Ammi, amin’izao synaoda faha-20 tanterahin’ny fiangonana any Taolagnaro izao. Nambarany fa ampy izay ilay tanana zatra mangorona ho an’ny tena. Entanin’ny fitiavan-tena tsy mety voky, ka na mba manome aza; mizara anaty filan-dera hitsinjovana sahady ny mety ho fifidianana, […]

TARATRY ny KANTO

« Fianar’Rire ». Atrikasa ho an’ireo mpanao hatsikana, na matihanina na tsia, izy ity. Mahakasika ny fampihomehezana sy fihazonana ny mpijery hanaraka ny hatsikana hatao ny lohahevitra. Hotontosaina ao amin’ny Alliance Française Fianarantsoa, anio 16 aogositra amin’ ny 8 ora sy sasany izany. Arahina fampisehoana izany ra­hampitso amin’ny 2 ora sy sasany, […]