Arahaba soa, arahaba tsara… Tanteraka soa aman-tsara ny fihaonana an-tampony faha-45 eo anivon’ny vondrona Sadc. Tsy nampitsanga-menatra. Vidin-kaja, vidim-boninahitra… Iza, hono, rey olona, no mahazo izany eo imason’izao tontolo izao. I Madagasikara manontolo sy ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka, fa tsy ny mpitondra ihany. Tonga amin’izany ve ny fivelaran-tsain’ ny […]
Other News
Filoha Rajoelina Andry : Nandray ny fahefana maha filohan’ny Sadc
Notanterahina omaly, teny amin’ny CCI Ivato, ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Tontosa, nandritra izany, ny fifamindram-pitantanana eo amin’ny filoha mpitarika ny vondrona. Nandray izany ny filohan’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry. Vita soa aman-tsara ny fihaonana an-tampony faha-45 an’ny vondrona Sadc izay natao teto Madagasikara, omaly. Araka ny tinapaky ny mpikambana tamin’ny […]
Zaikaben’ny tanora afrikanina : Ho fanoitran’ny fampandrosoana
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly zoma, teny amin’ny foibe toeran’ny tanora eny Ankorondrano, ny zaikabe fahafito ho an’ny tanora afrikanina aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika na ny 7th Southern Africa Youth Forum (Sayof). Hetsika fanaon’ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana mpiara-miasa amin’ny Sadc, isaky ny misy ny fivoriambeny. Araka izany, […]
SOMBIM-BAOVAO
Ny ekipan’ny Tonizia no hifanandrina farany amin’i Madagasikara, ao anatin’ny fifanintsanana isam-bondrona, amin’ny fifaninanana “Afrobasket 2025”, tanterahina any Angola, nanomboka ny talata lasa teo. Andro farany hahafantarana ny tohin’ny lalan’ny Ankoay io lalao hatao rahampitso io. Tanterahina any Toliara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, eo amin’ny sokajy […]
Volley-GNVB : Telo taona niaraka ireo mpilalao
Antoka iray lehibe nahazoan’ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie Nationale de volley-ball) ny fandresena, nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ny fahaiza-miaraka eo amin’ireo mpilalao. Nambaran’ny filohany, ny lieutnant colonel, Rajaonarison Fortunat, fa telo taona niarahana ireo mpilalaon’ny GNVB ireo ka efa mifankafantatra tsara. Tsiahivina, norombahan’ny klioban’ny GNVB avokoa ny anaram-boninahitra rehetra, […]






