Other News

Malagasy Rugby: Hanome sehatra ny lalao ho an’olona 7

Ho fampiroboroboana ny rugby lalaovin’olona 7, hisy ny “tournoi” karakarain’ny federasionina ny sabotsy 16 sy ny alahady 17 aogositra ho avy izao. Fihaonana ho an’ny sokajy vehivavy sy lehilahy, tanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Samy nahatsapa mantsy ny rehetra fa raha ampy fifaninanana, lasa lavitra amin’ity rugby ho an’olona […]

“Chan 2024” : Madagasikara 2 – 0 Centrafrique ; Velom-panantenana tamin’ilay fandresena omaly ny Barea

Tao anatin’ny fitaintainana tanteraka vao nahita fandresena ny Barea de Madagasikara, omaly, tany Tanzanie. Resin’izy ireo 2 no ho 0 i Centrafrique. Ela ny ela! Nahita fandresena tamin’ity fifanintsanana “Chan 2024”, izay tanterahina any Tanzanie, Ouganda, Kenya, ity, ny ekipam-pirenena malagasy, Ba­rea de Madagascar. Lavon’i Madagasikara, tamin’ny isa 2 no […]

Kaonferansan’ny Sadc: Hiato ny asa eny Ambohitsaina

Miato vonjimaika ny asa rehetra eny amin’ny “Campus” Ambohitsaina, anio maraina hatramin’ny 2 ora tolakandro. Anisan’ny miato amin’izany ny fampianarana na ny lafiny fitantanan-draharaha. Na izany aza, hizotra tahaka ny andavanandro ny asa aman-draharaha any amin’ireo oniversite sisa. Noraisina izany fepetra izany noho ny fampiantranoan’ny Anjeri­manontolon’Antananarivo ny kaonferansa lehibe eo […]

Governora Vyvato Rakotovao: “Manome sehatra ny mpanao gazety ny faritra”

Nanokafana ny fihaonan’ny governora, Vyvato Rako­tovao, tamin’ireo mpanao ga­zety tao amin’ny faritra Vaki­nankaratra ny momba ny fa­ha­lalahana amin’ny asa fa­naovan-gazety. Nitondran’ ireo mpanao gazety fanazavana manokana ny olana sy ny filany amin’ny fanatanterahana ny asany amin’ny fikaroham-baovao. “Mazava ny fomba fiasa napetraky ny fiadidiana ny faritra fa misokatra amin’ny sehatra […]

Fifidianana ny birao foiben’ny FJKM: Nanafatrafatra ny filoha Andriamahazosoa Irako Ammi

Nanomboka omaly, any Taolagnaro, ny Synaoda lehibe faha-20 eo anivon’ny FJKM. Anisan’ny hofidina amin’izany ny ho filoha hitarika ity fiangonana ity, manomboka izao. Nambaran’ny filohan’ny FJKM am-perinasa, ny Dr Andriamahazosoa Irako Ammi, ary notsiahiviny fa anisan’ny andraikitra lehibe horaisin’ny filoha sy ny birao ho voafidy eo ny fanatanterahana ireo vina […]