Other News

FANTINA sy FINTINA

Mitohy ny hetsika fanamaivanana ny fidiran’ny mpianatra, tanterahan’ny antoko Malagasy miara-miainga, amin’ny alalan’ny vehivavy VMMM. Mivarotra fitaovam-pianarana amin ‘ny vidiny mirary izy ireo amin’izany ka hisitraka izany ny herinandro ity ny eny Ambohitrimanjaka, Ambohimangakely, Alasora, Vilihazo ary Ambohitseheno… Mamita iraka any Bénin ny delegasionin’ny Ceni, tarihin’ny filohany, Andrianarisedo Dama Arsene. […]

Minisitry ny Raharaham-bahiny : «Hiditra amin’ny fivorian’ny filankevitry ny minisitra ny Sadc»

Amin’ity herinandro ity, hiditra amin’ny fivorian’ny filankevitry minisitra ny firenena mpikamban’ny Sadc, izay hatao amin’ny 12-14 aogositra ho avy izao, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Rahara­ham-bahiny, Rasata Rafa­rava­vitafika, teny Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Ankoatra izany, hisy ny dinika hiarahan’ny firenena mpikamban’ny Sadc miaraka amin’i Etazonia. Handinihana ny hoavy sy […]

Tsy bodo na bado…

  Mbola misy ny hoe manao ady sisika tsy hanatanterahana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc eto Madagasikara? Eny, na hita izao aza fa efa ao anatin’izany tanteraka izao. Roso ka tsy mimpody koa… Tsy mendrika ny handray an’izany fihaonana an-tampony izany, hono, i Madagasikara, raha ny zava-misy sy iainana. Tsy izay […]

Filoha Rajoelina Andry: “Ho avy ireo filoham-panjakana eo anivon’ny Sadc”

Efa akaiky ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Araka ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, ny faran’ny herinandro teo, hoavy avokoa ireo filoham-panjakana eo anivon’ity rafitra ity. “Niantso avokoa ny filoham-panjakana, ny avy ao Afrika Atsimo nilaza fa ho avy. Ny avy any Tanzania, ny Repoblika demokratikan’i Congo, ny Praiminisistra atsy Maurice, ny […]

TSELATRA

Nahitana karandohan’olona iray tetsy amin’ny secteur 4, ao amin’ny fokontany Nanisana, omaly tamin’ny 5 ora latsaka fahatelony hariva. Olona sendra nandalo no nahita io taolam-balo io ka nampandre ny tomponandraikitra. Niantso ny polisim-pirenena ny sefo fokontany ary tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy izy ireo. Tonga naka io karandoha io […]