Notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny lehilahy mpivarotra rongony mahery vaika, ny zoma 8 aogositra teo. Teratany vahiny mpanamparitaka rongony mahery vaika “Cristal methamphetamine” sady mpidoroka izany, nosamborin’ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, teny 67 Ha Avaratra, ny 6 aogositra teo. Naharay loharanom-baovao ny polisy momba ny fisiana […]
Other News
Imerintsiatosika: Telo lahy tratra nangalatra zana-kisoa
Mitohy ny fisamborana ireo mpanao ratsy. Lehilahy miisa telo, avy nangalatra kisoa voasambotry ny polisim-pirenena avy any Imerintsiatosika, afakomaly maraina. Nahatsikaritra olona nivezivezy tao Ambohijanadralambo Imerintsiatosika ny mponina. Nampiahiahy sy hafahafa ny fihetsik’ireto olona ireto, izay nilanja gony, ka nampandre ny polisim-pirenena avy hatrany ny fokonolona. Tsy niandry ela, tonga […]
Mpamily mamo : Olona roa maty voadonan’ny fiara
Misesisesy ny lozam-pifamoivoizana namoizan’aina olona tato ho ato. Olona roa samy hafa no maty voadona sy voahitsaky ny fiara ny sabotsy lasa teo. Maty voadonan’ny fiara ny ramatoa iray, ary voahitsaky ny fiarabe mpitatitra ny lehilahy iray hafa. Nahavoadoana olona mianaka teo amin’ny amin’ny lalana mankany amin’ny Zahamotel hiditra ny […]






