Nanamafy ny fahaiza-manaony ireo talem-paritra sy delege miisa 21 eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, ho an’ny faritra Diana sy i Sava. Nijery ny fizotran’ny fampiofanana ireo mpiasan’ny minisitera ny minisitra Mara Volamiranty Donna. Nambarany fa tanjona ny fanatsarana ny fomba fiasan’ireo tomponandraikitra hampiroboroboana ny maha olona. Niompana amin’ny […]
Other News
Nilalao teo an-tokotany : Naolan’ny tovolahy iray i Henintsoakely, 4 taona
Raharaham-pitsarana nahavariana ny mpanara-baovao ny antontan-taratasin’ady laharana faha-1810/RP/25- IS/ST/LT, tetsy amin’ny sampam-pitsarana ambaratonga voalohany, ny alakamisy 17 jolay teo, hanenjehana an-dRandriamarolahy Nambinintsoa Francky. efa voatazona vonjimaika am-ponja, ny 7 jolay lasa teo. Nandritra ny adihevitra teo amin’ny fotoam-pitsarana, nambaran’ny mpangataka onitra fa tia milalao “balançoire” ny zanak’izy ireo, efatra taona. […]
Fitaterana: Hiasa amin’ny fivorian’ ny Sadc ny teleferika
Tsy ho ela. Nambaran’ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana, Andriamanohisoa Gerard, nandritra ny fivahinianany tao amin’ny fahitalavi-panjakana (TVM) fa efa eo am-pamaranana ny andrana ara-teknika ny fitaterana an-tariby, teleferika, mampitohy an’i Soarano sy Ivandry. “Ho tapitra amin’ny faran’ny volana jolay ho avy izao ny andrana ara-teknika. […]
TARATRY ny KANTO
Hisy fampisehoana atolotry ny Jazz Club CGM, rahampitso, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hanampy azy ireo koa i Mendrika Rasolomahatratra, mpampianatra ampongamaroanaka sady mpitendry matihanina rahateo. Fotoana fizarana sehatra ity ho an’ireo mpikambana, sy fizarana traikefa koa ho an’ireo zoky eo amin’ny mozika. Efa fifampitaizana sy fotoana ifaneraserana ihany koa […]
« Follow 2025 » : Hitondra fiderana sy fiankohofana ny Jesus Union
Ny fitiavan’Andriamanitra. Io no lohahevitra nosafidian’ny Jesus Union, hanompanana ny « Follow 2025 ». Hotontosaina ny 26 jolay izao ny hetsika, manomboka amin’ny 2 ora, eny amin’ny Arena Ivandry. « Hira fiderana ho fanandratana an’Andriamanitra, izay sady arahina dihy no ho ao. Eo koa ny fiankohofana, izay fotoana hikasihan’ Andriamanitra ny tsirairay », hoy […]






