Rahampitso alahady 20 jolay. Hotanterahina amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera « Zoom » sy Facebook ny fampitam-pahalalana « Takalo dinika amorom-patana » (TDA). Lohahevitra anisan’ny mahaliana olona maro no nofidian’ny Foiben’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany : « Ny karajia amin’ny kabary malagasy ». Hisorona ny afo amin’izany ny Dr. Rabenalisoa Ravalitera Jean, mpampianatra mpikaroka, akademisianina, birao foibe Fi.Mpi.Ma sady […]
Other News
« Memoire du Monde » : Omena lanja ny tahiry fony faha-mpanjaka
Anisan’ny mitondra any amin’ny fandrosoana ny fananana fototra. Na tsy mbola tafiditra lalina ao anatin’ny kolontsaina malagasy aza ny fikajiana ny angon-tahiry na ny tahiry. Efa zava-dehibe ny fahavitana dingana aminy. Iray amin’ireo firenena nandalo ny vanim-potoana faha-mpanjaka i Madagasikara. Na tsy maro be tahaka ny hita any amin’ny firenena […]
FANTINA sy FINTINA
Tsy nitsitsy fitenenana ny depiote Gascar Fenosoa manoloana ny “Raharaha Ambohimalaza”. Aoka hajanona ny resaka politika: mpanohitra sy mpitondra fa iray ihany isika Malagasy, araka ny nambarany. “Iray ihany ny fahavalo: ity faty olona ity ka tadiavina ny fomba iadiana amin’izany. Inona ny fepetra sy vahaolana fa ho ripaka eto […]
Fijoroan’ny Obseravatoire Mahitsy fijery : “Hijoro ary ho saro-piaro amin’Antananarivo izahay”
Nampahafantatra ny fijoroan’ny fiarahamonim-pirenena, Obesrvatoire Mahitsy fijery, tetsy Analakely, ireo mpikambana ao aminy, notarihin’ny filoham-boninahitra, Ravololomanana Lalatiana. Nambaran’izy ireo fa tsy antoko politika ny fikambanana. Fiarahamonim-pirenena handray ireo fitarainan’ny mponin’ Antananarivo ary mbola hihaona amin’ny minisitra mpiahy, Andriantsitohaina Naina, sy ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo, Ramanantsoa Harilala, amin’ny hijerena ny hampandrosoana […]
Fisaka ny marina
Raha misy trangam-piarahamonina mahabe resaka angamba dia ity fanapoizinana olona teny Ambohimalaza ity. Tafakatra 31 rahateo ny namoy ny ainy, mbola am-polony manaraka fitsaboana. Tsy vitan’izay fa manjaka loatra ny fikobokobononana ny fanadihadiana sy ny fizotry ny fitsaboana ny marary. Hatramin’ny fitrandrahana vaovao aza dia manahirana, manjaka loatra ny […]






