Na dia tsy nandrombaka ny fandresena teo amin’ny famaranana aza ny ekipa malagasy, nandritra ny fifaninanana “International Basketball 3×3”, tsy mitsanga-menatra, satria voafidy ho mpilalao mendrika ny Malagasy mpilalao, Ratianarivo Livio. Ity mpilalao ity izay laharana voalohany amin’ny basikety eto Madagasikara. Tsiahivina fa tontosa tany Russie, ny faran’ny herinandro teo, […]
Other News
Filoha Rajoelina Andry: « Ny ezaky ny tena no mahatafita »
Nohamafisin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly, fa antoky ny fahombiazan’ny tsirairay ny ezaka ataony. Porofon’izany ny Barean’i Madagasikara, izay nomena mari-boninahitra sy volabe, teny Iavoloha. Noraisin’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, tetsy amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly, ireo delegasionina Barean’i Madagasikara, niatrika ny « Chan 2024 », izay avy nandrombaka medaly volafotsy. Notoloran’ny filoham-pirenena […]
VAOVAO TAMBATRA
Noho ny fiovaovan’ny toetr’andro ankehitriny, mitady ny fomba rehetra hanalefahana ny mety ho voka-dratsy aterak’izany ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB). Araka izany, notontosaina tao Nosy Be Hell Ville, ny faran’ny herinandro teo, ny atrikasa nanangonana ny paikady hiatrehana izany. Nifarana ny alahady 31 aogositra teo, tao Betsizaraina, […]
fiompiana lalitra: Olona miisa 14 nisitraka fampiofanana
Tontosa tao amin’ny Lycée teknika an’ny distrikan’i Taolagnaro, faritra Anôsy, ny 30 aogositra 2025 lasa teo, ny fiofanana momba ny fiompiana lalitra Hendry na ny « Black Soldier Fly (BSF) ». Mpandray anjara miisa 14 no nisitraka izany tao an-toerana, araka ny fampitam-baovao voaray avy eo anivon’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena […]
Tetezana ao Toamasina: Vitaina alohan’ny faran’ny taona
Tonga nitsidika sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny tetezana mirefy 200 metatra mahery sy ny lalana mirefy 5 km, ao Toamasina, ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, ny faran’ny herinandro teo. Nilaza ny minisitra fa hoezahina vitaina tanteraka alohan’ny faran’ny taona ny asa rehetra amin’ity fotodrafitrasa iray […]






