Other News

Nafenina tanaty fitombenana: Thailandais iray nikasa hanondrana Rubis 59,3 g

Vato sarobidy (rubis) mi­lanja 59,3 grama, tratra tao anaty fitombenana lehilahy thaïlandais iray, tetsy amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, afakomaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Saika hiondrana tamin’ny fiaramanidina ET852 ho any Addis-Abeba hizotra any Bang­kok izy io saingy izao tratra izao. Nahatsikaritra zavatra hafahafa tao anatin’ny vatany ambany ny zandary miasa […]

Fanondranana zavamaniry arovana: Teratany karana roa sy Malagasy iray voarohirohy

Niakatra fampanoavana, afakomaly, ny teratany karana roa sy Malagasy iray, ahina ho mpanao trafikana Harena voajanahary. Nahatratra karazana zavamaniry voarara miisa 40 izy ireo. Tratra nanao hosoka ma­hakasika ny fanondranana zavamaniry arovana tao amin’ny zaridaina iray etsy Ivoara, kaominina ambanivohitra Masindray ny teratany karana iray. Nanantanteraka fisavana teny amin’ny zaridaina […]

Sarimihetsika: Mifanome tanana ny Netflix sy ny Canal Plus

Nampahafantarina tetsy Ambodivona, omaly, ny tolotra vaovaon’ny Canal Plus dia ny Netflix izany. Ny volana jona teo, nanao fifanarahana stratejika tamin’ny Netflix ny vondrona Canal Plus. Fiaraha-miasa miforona eto Madagasikara hahazoan’ny mpanjifa misitraka mivantana ny Netflix, amin’ny alalan’ny famandrihana misy ny traikefa tsotra sy mora. Hanamarihina izany fanombohana izany, manome […]