Mitohy ny fanarenana ny lalana RN6, Antsohihy-Ambanja. Anisan’ny asa atao ny fanamboarana ny fanarian-drano, ny fanamafisana ny sisin-dalana. Kojakojaina ny lalana tena ratsy. Ametrahana famantarana manokana ny lalana asiam-panamboarana. Manao ny asa ny orinasa Colas, famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena ao anatin’ny tetikasa PCMI izy ity. Hanao lavanty ampahibemaso ny masoivoho amerikana, […]
Other News
Asa vaventy: Harenina ny orinasa SMATP
Niorina ny taona 1986 ny orinasa sinoa-malagasy misahana ny asa vaventy (SMATP). Maherin’ny 30% ny petrabolan’ny fanjakana malagasy ao aminy. Fatiantoka tanteraka no hita ao aminy, ankehitriny, miampy ny tsy fahombiazan’ ny fitantanana nandritra ny taona maro. Natao ny 5 aogositra teo ny fivoriana notarihin’ ny minisiteran’ny Toekarena sy ny […]
Masa-bary mainto kitoza
Andro sisa no isaina! Miandry ny fandraisan’i Madagasikara ny fitantanana voalohany ny vondrona Sadc ny Malagasy. Handray izany amin’ny fomba ofisialy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Maharitra herintaona ny fotoam-pitantanany. Midika izany fa ho renivohitry ny firenena 16 aty atsimon’ny Afrika isika. Ho ambohi-pihaonana ara-bakiteny satria hateti-piavy ny fivoriana […]
Orinasa QMM: 858 000 dolara ho an’ny tontolo iainana
Manana paikady manokana hanarenana ny tontolo iainana sy ho fampandrosoana ny fiarahamonina ny orinasa QMM any Taolagnaro. Voakasik’izany ny fitantanana ny faritra arovana. Misy ny fifanarahana fiaraha-miasa miisa enina eo amin’ny orinasa sy ny fanjakana malagasy. Mitentina 858 000 dolara ny tetibola atokan’ny QMM amin’ izany, ampiasaina mandritra ny 5 taona. […]
TSELATRA
Mpivady niara-nosamborina tamin’ny fivarotana zava-mahadomelina tao Ampilanonana Ambatofotsy, kaominina Sabotsy Namehana, afakomaly. Tratra tao an-tranony ireo fatorana rongony maromaro izay efa vonona hamidy. Nisy ny fitorohana nataon’ny olona tsara sitrapo nahafahana nisambotra azy ireo. Niakatra fampanoavana teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, omaly, ny praiminisitra teo aloha, Solonandrasana Mahafaly Mananandro […]






