Notanana atao andrimaso sy fanadihadiana eny anivon’ ny polisy ireo roa lahy izay tsy hafa fa ray niteraka sy raikelin’ny zaza varira nisy naka an-keriny tao Marofinaritra, kaominina Mananjary. Tsy nifankahazo ny renin’io zazavavy vao 4 taona monja io sy ny rainy. Niafara tamin’ny fifamaliana izany ka nandao ny tokantrano […]
Other News
Anosibe : Mpangarom-paosy iray tratran’ny polisy
Voasambotry ny polisin’ny CSP5, miasa etsy Anosibe Tsena, ny lehilahy mpangalatra sy mpangarom-paosy iray, omaly maraina tamin’ny 6 ora. Avy nangalatra findain’ny lehilahy lehibe iray tao anaty tsena io olon-dratsy io. Lasa nitsoaka avy hatrany izy taorian’ny asa ratsiny. Niantso vonjy ilay lasibatra. Nandray andraikitra tamin’ny fanenjehana ilay olon-dratsy ny […]
4×4 latsaka tanaty hantsana : Ramatoa 72 taona namoy ny ainy
Maty tsy tra-drano vokatry ny fivadihan’ny fiara tsy mataho-dalana nitondra azy ny renim-pianakaviana iray teny amin’ny fokontany Tsiazonkirano. Tsy nahatana ny familiana ny mpamily ka nilatsaka tany anaty hantsana ny fiara. Renim-pianakaviana iray 72 taona maty tsy tra-drano niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra PK160+900, fokontany Tsiazokirano, kaominina Tsaramasoandro, distrika […]






