Tsy mitsahatra mandray anjara amin’ny fifaninanana afrikanina ny Barea sokajy zandriny. Ny volana septambra ho avy izao, hiady ny tapakila hiatrehana ny Can U17, anatin’ny fifanintsanana “Cosafa” ny Barea. Hotontosaina any Harare Zimbabwe, ny 11 hatramin’ny 20 septambra ho avy izao, ny “Cosafa U-17 Youth Championship”. Anisan’ireo handray anjara amin’izany […]
Other News
TARATRY ny KANTO
Nahazo boky miisa 27, avy amin’ny japoney ny Tranombokim-pirenena malagasy. Hanampy isa ireo boky ao amin’ny tahala ho an’ireo firenen-kafa, ao Anosy izany. Hanampy betsaka ireo mpikaroka, mpianatra na mpampianatra, amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany. Efa nanomboka ny taona 2021 no tafiditra ho anisan’ireo firenena hampahafantarina ao amin’ity tahalan’ny Tranombokim-pirenena malagasy […]
« Misia ny Mazava »: Seho fiomanana ho an’ny Voice of God
“Misia ny mazava. Teny mahafehy ny antom-pisianay sy iraka mafy ato am-ponay. Antso hamelona fanantenana indray”, hoy ny fanambarana ao amin’ny pejin’ny Voice of God na Vog. Antony nisafidianan’izy ireo ny lohahevitra hanompanana ny fampisehoana izay hotontosain’ny Vog ny sabotsy 9 aogositra izao izany, manomboka amin’ny 5 ora hariva, eny […]
« Festival Rebeke 2025 »: Handray anjara ny tarika Olombelo Ricky
Hotanterahina ny 28, 29, 30 aogositra 2025, ao Tsihombe Androy, ny «Festival Rebeke» andiany faha-9 izay karakarain’i Tsimihole. Hetsika natokana ho an’ny gadona Beko izay mampiavaka ny faritra atsimon’i Madagasikara ary lova navelan’ny Antandroy izy io. Ivondronan’ny mpibeko, ny mpiantsa, ny zokiolona ary ireo tanora manan-talenta manodidina amin’ny ady amin’ny […]
zavakanto sy Kolontsaina: Misongadina ho azy ny mahay
Ny famaritana ny « mahay » aza efa nanjary sarotra be! Ny « doka » indray, efa zary rivotra iainan’ny kolontsaina sy ny zavakanto. Vao mainka hampiarahina izy roa ireo… Mety ho avy amin’ny « doka » no ilazana fa mahay ? Ity tranga ity, tsy an’ny Malagasy fa vao […]






