Other News

TSELATRA

Nitombo iray indray ny maty tamin’ilay tranga teny Ambohimalaza, ny 14 jona lasa teo. Namoy ny ainy, omaly, tao amin’ny hopitaly HJRA, ny tovovavy iray, rehefa notsaboina nandritra ny fotoana naharitra teny an-toerana. Efa nivoaka ny hopitaly io tovovavy io teo aloha fa naverina indray satria nananosarotra ny aretina. Mbola […]

May ny tsenan’ny Coum: Amina miliara ny tombam-bidin’ny entana levona

May kilan’ny afo tanteraka ny trano nisy rihana iray nahitana tsena fivarotana miisa enina, fivarotana rafia etsy amin’ny Coum 67 Ha Avaratra Andrefana, omaly atoandro, tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany. “Mahatratra amina miliara maro ny fatiantoka rehetra tamin’io famaizana io”, hoy Razafindrasata Andry Tafita, anisan’ny tompon’ny tsena may. […]

Antaravay-Toliara : Jiolahy lavon’ny balan’ny UIR

Maty tsy tra-drano voatifitry ny polisy ny jiolahy raindahiny nitam-piadiana tao Antaravay, Toliara, ny alin’ny alarobia hifoha omaly alakamisy, tamin’ny 11 ora. Enin-dahy no ren’ny mpitandro filaminana fa hanao fanafihana ao amin’io tanàna io. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny ekipan’ny UIR rehefa nahazo loharanom-baovao. Nikoropaka ireo olon-dratsy rehefa nahatazana ny […]

Lozam-piarakodia RN1 : Kaomisera sy Inspektera niara-maty

Kaomisera sy Inspektera niara-maty niharan’ny lozam-pifamoivoizana tao Tsinjoarivo Imanga, omaly. Simba tanteraka ny fiara nitondra azy ireo. Kaomisera miasa eo anivon’ny kaomisaria Tsi­roanomandidy ny iray tamin’ireo polisy roa namoy ny ainy nandritra ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenana voalohany, PK 45 +200, hidirana ny tete­zan’Imanga Tsinjoarivo, distrikan’i Tsiroanomandidy, oma­ly. Miisa efatra […]

Tsipy kanetibe – « Masters 2025 »  : Nihemotra laharana fahatelo ny Malagasy

Raha laharana voalohany ny ekipa malagasy taorian’ny dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny “Masters 2025”, ta­ranja tsipy kanetibe. Nivarina fahatelo indray taorian’ny fahavitan’ny dingana fahefatra, notanterahina tao Palamas-Les-Flots, France, ny talata lasa teo. Raha tsiahivina, nihin­tsana teo amin’ny dingana am­pahefa-dalana i Zigle sy i Tiana ary i Yves. Resin’ny ekipan’i Bonetto, […]