Mampivarahontsana ny zava-niseho tao Mananara Avaratra, ny alin’ny 5 jolay lasa teo. Voaroban’ireo olon-dratsy ny vola mitentina 8 tapitrisa Ar sy finday maro fampiasan’ireo mpivady mpanao Cash point ao an-toerana, izay misy vola hatrany amin’ny 30 tapitrisa Ar. Novelesin’ireo mpanafika tamin’ ny hazo ny lohan’ireo niharam-boina ka naratra mafy tamin’ […]
Other News
Kianja Barea : Efa miroso ny fanamboarana ny bozaka
Taorian’izay fotoana lava izay, tazana tetsy Mahamasina, nanomboka ny herinandro teo, ny fandrosoana amin’ny fanamboarana ny bozaka ao amin’ny Kianja Barea. Mbola nanamafy izany ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Moustapha Abdulah Marson, omaly, tetsy Ivato, fa efa mikarakara izany ny eny an-toerana ary mety hisy ny fidinanana ifotony […]
Fandaharan’ny TVM: Hisy vaovaon’ny Sadc isan’andro
Mba tsy ho tompon-trano mihono. Efa ao anatin’ny fandraisana tanteraka ny fihaonana an-tampony faha-45 eo anivon’ny Sadc i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Misy amin’ireo hetsika tafiditra ao anatin’izany no efa mandeha. Eo koa anefa ireo mbola ho avy ato anatin’ny andro vitsy. Araka izany, hisy hatrany ny fandaharana izay harahin’ny […]
Fiaraha-miasa ara-toekarena: Hanohana ny fambolena sy ny fizahantany ny firenena maorisianina
Nanolotra ny taratasy manendry azy honina sy hiasa eto Madagasikara tamin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly, teny Iavoloha, ny masoivoho vaovaon’ny Nosy Maorisy, Bruno Cunniah. Voatsiahy tamin’ny fihaonana fa efa an-taonany maro ny fifandraisana teo amin’ny firenena malagasy sy maorisianina amin’ny maha nosy mpirahavavy azy aty anivon’ny ranomasimbe Indianina. Eo […]
Fitantanana eo anivon’ny Sadc: Filohan’ny kaomitin’ny mpiasam-panjakana Ratsimbazafy Eric
Notanterahina omaly ny famindram-pitantanana teo amin’ny fitarihana ny kaomity maharitr’ireo mpiasam-panjakana ambony eo anivon’ny Sadc. Mitarika izany, manomboka izao, i Madagasikara. Nandray izany fitantanana izany, ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Ratsimbazafy Eric. Lasa filoha mitarika ny kaomity maharitr’ireo mpiasam-panjakana ambony eo anivon’ny Sadc. Nambarany fa nahavita be tamin’ny alalan’ny vina […]






